Alahady 17 mey 2020 — Alahady fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 15-21 — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny tenikio, hoy ny Tompo, dia ho tian'ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy.
Sabotsy 16 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona ; ary hiditra amin'ny voninahiny.
Zoma 15 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17 — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.
Alakamisy 14 mey 2020 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17 — Izaho no nifidy anareo tao amin'izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan'ny vokatrareo, hoy ny Tompo.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco