16 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-23)

[audio src="/images/sounds/evj-20230716.mp3" background="#0099ffff"

Ry kristianina havana ! Misantatra izao herinandro vaovao izao indray isika, herinandro tsotra faha-15 mandavan-taona dia manasa anao hatrany hifantoka amin’ny fampianaran’i Jesoa araka ny nanoratan’i Masindahy Matio ny Evanjely satria moa isika izao dia ao anatin’ny taona “A”. Ho an’ity alahady ity dia nomen’ny Eglizy hanentana ny fiainantsika amin’ny maha kristianina antsika ny foto-kevitra manao hoe: “Nokendren’Andriamanitra hisy vokany eo amin’ny fiainantsika, ny Teniny”. Miompana amin’izay Tenin’Andriamanitra izay ny vakiteny aroson’ny Eglizy ho antsika androany, indrindra ny Evanjely norenesintsika teo.

Afafy amintsika isan’andro tokoa ny Tenin’Andriamanitra. Tsy any am-piangonana ihany isika no mandray na maheno na mahita izany fa efa maro tokoa ny fomba anehoana izany Tenin’Andriamanitra izany ankehitriny, manaraka ny fandrosoan’ny zanak’olombelona sy ny vanim-potoana iainantsika izao amin’ny alalan’ny haino – vaky – jery. Efa tombony ho antsika ny “Baiboly” mirakitra ny Tenin’Andriamanitra izay amporisihina antsika hatrany ny hamaky azy, fa vao mainka tombony ho antsika ny fisian’ny fitaovana nomerika manaraka ny fenitra takian’izao andro izao, ka mampiasa ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin’ny endriny vaovao. Toy ny erika mifafy sy ny orana milatsaka tokoa araka ny voalazan’i Izaia ao amin’ny vakiteny voalohany aroson’ny Eglizy amin’ity alahady tsotra faha-15 mandavan-taona ity ny fifafin’ny Tenin’Andriamanitra amintsika ankehitriny, ka tsy manavaka na iza na iza fa ny olona rehetra no iantefany.

Enga anie ry hava-malala ka tsy toy ireo zavatra hafa fandreantsika isan’andro amin’ny haino aman-jery izany ka miditra amin’ny sofina havia dia mivoaka amin’ny havanana, na koa mandalo ihany toy ny rano atondraka an-damosin’ny kanakana, na koa misomidika ambony toa menaka fotsiny, fa tena ho latsa-paka ao anatintsika tokoa. Ary aoka isika ho liana isan’andro tsy tapaka amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay sakafo mamelona ny fanahintsika sy mampitombo isan’andro ny fiainam-pinoantsika.

Hoy i Jesoa ao amin’ny Evanjely hoe “izay manan-tsofina hihainoana aoka izy hihaino”: miantso antsika izany hazoto hihaino ny tenin’Andriamanitra ka handatsaka azy ao am-po, handinika izany tsy tapaka ary hiaina azy mba hisy vokany eo amin’ny fiainantsika izy araka ny voalaza ao amin’Izaia ihany hoe “Tsy miverina amiko izy raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany”. Isika tokoa no irìna mba ho vonton’ny Tenin’Andriamanitra ka hampamokatra azy avo zato heny araka ny fanoharana ambaran’i Jesoa ao amin’ny Evanjely. Isaorana ny mpamafy izay tsy mitandro hasasarana sy mitady ny fomba rehetra hahatonga azy ao am-pontsika, fa isika koa hijoro ho vavolombelona mandrakariva haneho fa mipaka any amintsika tokoa ny teny afafy amintsika isan’andro ka hampamokarintsika, ahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’izay irin’Andriamanitra ataontsika, ary hanampiantsika ny hafa ihany koa. Fantantsika tsara izao tontolo izao ankehitriny izay misy antsika fa isika kosa hiezaka hatrany ho tany lonaka hiantefan’izany Tenin’Andriamanitra izany araka ny fampianaran’i Jesoa amintsika androany.

Jesoa Tompo ô ! Indro efa roa arivo taona mahery izay no niezahanao nanamafy izay voalaza any amin’ny Testamenta Taloha ka mbola tohizan’ny Eglizy mandraka ankehitriny mba hiantefan’ny Tenin’Andriamanitra ao am-pon’ny olona tsirairay. Arotsahy aminay mandrakariva ny Fanahy Masina mba ho tany lonaka hiantefan’izany Teny izany izahay ka hampamokatra azy ho fahazavana sy fanasina ho an’ny hafa. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...