20 aogositra 2023 — Alahady Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ry kristianina havana! Tsy tian’Andriamanitra ho very ny olombelona rehetra fa tiany ho voavonjy avokoa. Isika ihany anefa no antony mahavoavonjy antsika na tsia. Raha ny marina dia azo lazaina fa olom-boavonjy isika raha ny finoana efa nomena antsika tamin’ny batemy, raha toa ka iainantsika izany. Isika olombelona rehetra mantsy no kendren’Andriamanitra hiditra ao amin’ny fanjakany. Tsy mba manana izany hetaheta ny hiditra ao izany ve ianao?

Eny, raha famonjena no tenenina ho antsika ankehitriny dia isan’ny anankiray manan-danja ary goavana ao anatin’izany ny finoana. Sarotra tokoa ny mamantatra ny halalin’ny finoan’ny tsirairay fa ny fisehony ety ivelany no mety manambara fa manana azy ianao na tsia. Sarotra ny hilaza fa isika rehetra no mino satria raha ny zava-misy iainantsika ny maha kristianina antsika dia tsapa fa misy tokoa ny mino fa mbola betsaka koa ireo misalasala. Ireo mino dia miezaka hatrany hiaina ny finoana ananany ary mampita izany amin’ny hafa amin’ireo ezaka rehetra hatao indrindra ny fiainana ny Tenin’Andriamanitra.

Jereo ny nataon’ity vehivavy voalazan’ny Vaovao Mahafaly naroso ho antsika teo ity: na dia Kananeanina aza izy dia nino fa i Jesoa dia afaka manampy mamonjy azy amin’ny fahoriany ka tsy nisalasala izy nanatona sy niangavy azy: “Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”. Nino sy natoky izy fa i Jesoa dia afaka hanasitrana ny zanany, hanafaka azy amin’ny fangejan’ny fanahy ratsy. Tsy nijery izay saranga na fiaviana na firazanana na ny toetran’olona ity vehivavy ity fa ny finoany no nentiny nangataka fanasitranana tamin’i Jesoa. Olona manam-pinoana izy matoa naharitra nangataka sy nitalaho tamin’i Jesoa ny fahasoavana ilainy na dia teo aza ireo teny mahery navaly azy, izay azo lazaina ihany koa anefa ho toy ny fomba entin’i Jesoa handalinan-dravehivavy tsara ny finoany; ary entin’i Jesoa anambarana amin-dravehivavy ny hasarobidin’ny fahasoavana koa: “Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”. Saingy tsy nahakivy azy velively izany fa vao mainka aza nanehoany tenim-pahendrena sy fahatokisana tanteraka. Toy izany no antenain’i Jesoa amintsika, indrindra isika kristianina.

Aiza ho aiza ny finoantsika raha oharina amin’ny an’ity vehivavy Kananeanina ity, ary mba miezaka mandalina ny finoantsika hatrany ve isika? Nampiaiky an’i Jesoa ny finoan’ity vehivavy ity ka nahatonga azy tsy hisalasala ny hamonjy azy: “Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao izay irinao”. Izay manam-pinoana sy manam-paharetana no hahazo izay katsahiny eo amin’ny fiainana satria mandre ny tarainan’ireo matoky azy Andriamanitra. Aoka ho tsapantsika fa izay mangataka amim-pinoana sy amim-paharetana amin’i Jesoa tsy mba voatosiboho-tanana na oviana na oviana fa hahazo ny fahasoavana tadiavina.

Jesoa Tompo ô! Ampitomboy hatrany ao aminay ny finoanay sy ny fahatokisanay Anao ka hanantenanay ny famonjena avy aminao! Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...