23 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsarànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 20, 1-16a)

Ry kristianina havana. Nomen’i Jesoa lanja amin’ny fampianarany nandritra ity herinandro ity ny mikasika ny fanjakan’ny lanitra. Amin’ny fanoharana mandrakariva no entin’i Jesoa maneho izany amintsika ka dia anjarantsika no mandray izay sahaza antsika. Eto dia asehon’i Jesoa ny tsy fitovian’ny fijery sy hevitr’olombelona sy ny fijery sy hevitr’Andriamanitra, izay saika mifanohitra mandrakariva. Isika olombelona mantsy mazàna dia mijery amin’ny endrika ivelany fotsiny ka dia be siasia sy mitsara araka izay: “Tsy niasa afa-tsy adim-pamantaranandro iray monja ireto farany ireto, kanefa ampitovianao aminay izay niharitra ny hasasarana sy ny hainandro nandritra ny andro”. Ny hevitr’Andriamanitra mikasika ny famonjena antsika anefa raha ity fanoharana ity dia mitovy avokoa: “denie iray”. Ho antsika olombelona mantsy ny famonjena dia heverintsika fa valisoa tambin’ny asa ataontsika, noho izany dia arakaraka ny faharetan’ny fe-potoana niasana no hahabe na hahakely ny valisoa. Izany hoe ny famonjena ho antsika olombelona dia sandan’ny fanompoana an’Andriamanitra. Eo amin’ny hevitr’Andriamanitra kosa anefa dia tsy mba toy izany; tsy manisa andro ny fanompoana an’Andriamanitra. Izay no mahatonga an’i Jesoa hilaza hoe: “Ny voalohany ho farany ary ny farany ho voalohany”. Efa omaly Izy no nampisaina antsika an’izany ary dia hamafisiny indray androany.

Ho Azy ny famonjena dia fahasoavana omena maimaim-poana antsika olombelona satria tsy tiany hisy hitoetra ivelan’ny fanjakany isika olombelona. Isika izay nohariany hitovy endrika Aminy sy natsangany ho zanany ao amin’i Jesoa Kristy. Izany no mahatonga an’Andriamanitra tsy hahalala sasatra fa mandeha mivoaka amin’ny fotoana rehetra “vao maraim-be, amin’ny ora fahatelo, fahaenina, fahasivy, faha iraika ambin’ny folo”, miantso sy manasa izay rehetra hitany ho any Aminy, indrindra moa ireo mbola mihainohaino na midonanam-poana mikasika izany fanjakan’ny lanitra izany. Ka izay rehetra manaiky dia mahazo ilay fahasoavana feno natao ho an’ny olon-drehetra.

Araka izany dia tsy toetran’Andriamanitra ny manombana ivelany na mandrefy ny zava-bitan’ny olombelona, na mampitaha an-dranona amin-dranona, mba hanomezana azy famonjena. Ny fitiavana no mibahana ao amin’i Jesoa, ary izay rahateo no maha izy Azy: “Andriamanitra dia Fitiavana”. Ka rehefa manaiky ho tiany isika dia tonga miombom-piainana Aminy; ary amin’izay dia tsy hanarinary fotoana hidonanam-poana intsony fa hiara-miasa Aminy hanitatra ny fanjakany sy hijoro ho vavolombelona, hitory fa “tsara sy marina Andriamanitra Ray ary tia ny hahavonjy ny olona rehetra”.

Enga anie isika mba ho vonona hanaiky an’Andriamanitra rehefa miantso antsika Izy, na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona, satria misy karazan’asa maro mila mpiasa ao amin’ny Fiangonana ka mitaky ny fandraisana anjarantsika fa izany no lalam-pamonjena ho antsika. Ary enga anie koa isika tsy hiandry tambiny na tombon-tsoa foana, tahaka ny hita amin’ny fanoharana, vao hikatroka ao amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo fa hiezaka hanompo am-pitiavana ho antoky ny mandrakizay ho antsika.

Ry Andriamanitra Ray ô! Misaotra amin’ny fitiavanao tsy misy fetra ary tsy manavaka na iza na iza. Misaotra anao tsy mahalala sasatra fa mitady mandrakariva izay hahavonjy anay olombelona rehetra. Ampio izahay hanaiky sy hanaraka ny sitra-ponao aminay! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...