20 desambra 2023 — Alarobia, herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Ry kristianina havana! Mitohy ny filazana fahaterahana mampahafantatra antsika ny momba an’i Jesoa, izay voalaza fa andrasantsika amin’izao fotoana izao. I Lioka indray no mitantara eto ary efa diso haintsika tsara ity filazan’ny Anjely ny hahaterahan’ny Mesia ity, izay i Maria no voafidy ho reniny ka misongadina i Maria eto. Mitovy amin’ny filazana nataon’ny Anjely tamin’i Zakaria ny hahaterahan’i Joany Batista, rentsika omaly ity filazana ity. Maro ny fampianarana azontsika raisina mahakasika ity fitantarana ataon’i Lioka ity.

Tao Galilea tao Nazareta i Maria no naharay ny filazana. Tanàna izay hifangaroan’ny Jody sy ny tsy mpino ity tanàna ity. Tao an-tranony tao Nazareta anefa i Maria no voaantso, trano kely tsotra, kanefa i Zakaria dia tany am-panaovana sorona tany an-Tempoly. Teo dia efa hita taratra ny fahantrana sy ny fahatsorana nofidian’ity Zanak’Andriamanitra ity, raha tonga nofo tety amintsika izy. Nilatsa-tenany ambany toy ny mpanompo izy, hoy i Masindahy Paoly. Na ny anarana entin’ity renininy, i Maria, aza moa dia efa maneho ny fahatsorany. Tsy toy ireo anarana fandre matetika izay manambara fahamboniana fa ilay tovovavy tsotra. Na izany aza anefa dia tsy navelan’Andriamanitra ho very ny fiandrianany, satria i Josefa taranak’i Davida, solofon’i Jese, taranaka mpanjaka no fofombadin’ity tovovavy tsotra ity. Efa fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama io.

“Arahaba ry Maria, feno hasoavana, ny Tompo ao aminao”: fiarahabana avy amin’ny dikan-teny grika manao fanajana sy fitiavana ity tovovavy tsotra sy manetry tena ity, nefa voafidy ho renin’ny Zanak’Ilay Avo. Lasa vavaka ventesintsika isan’andro ho fanajana an’i Maria io vavaka io, ary ahazoantsika fahasoavana maro indrindra raha mazoto manao rozery isika. Manambara koa moa ny fiarahan’Andriamanitra monina amintsika io fanajana hoe: “Ny Tompo ao aminao” io satria Izy Andriamanitra naka nofo tonga olombelona dia lasa eo anivontsika ka izay ilay hoe “Emanoela”. Moa ve andrandraintsika izany hiara-monina amin’Andriamanitra izany?

Efa voafaritra mialoha tao amin’ny Testamenta Taloha ny fiambonian’ity zaza ho teraka ity, araka ny nambaran’ny Anjely hoe “Zanaky ny Avo izy”. Eo koa ny asany araka ny anarany dia ny hamonjy an’izao tontolo izao ary hitondra famonjena. Io dia efa faminanian’i Nathan tamin’i Davida, izay nalaza tao amin’ny boky voalohan’i Samoela (1 Sam 7, 11): omen’Andriamanitra Azy ny fandresena. Na dia nifidy ny fahadiovana amin’ny fahavirjiniana aza i Maria dia nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra ka tanteraka izay rehetra voafaritra momba an’i Jesoa ao amin’ny Testamenta Taloha. Efa voalazantsika omaly fa tsy misy tsy hain’Andriamanita hatao ho an’izay mino ka izay finoana lehibe izay hatrany no angatahana amintsika.

Jesoa Tompo ô! Toa an’i Maria dia omeo finoana ombam-panetren-tena sy fitiavana izahay mba ahafahanao miditra tanteraka tokoa amin’ny fiainanay ka hitondranao famonjena ho anay. Mivavaha ho anay ry Reny masin’Andriamanitra. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...