Raha vao maraina ny andro, ny lohandohan’ny mpisorona dia niara-nihevitra tamin’ny loholona sy ny mpanora-dalàna ary ny mpisaina rehetra, ka namatotra an’i Jesoa, dia nitondra Azy sy nanolotra Azy tamin’i Pilaty. Ary i Pilaty nanontany Azy hoe:

  • Ianao va no Mpanjakan’ny Jody?

Dia namaly Izy ka nanao taminy hoe:

  • Voalazanao.

Ary maro ny zavatra niampangan’ny lohandohan’ny mpisorona Azy, ka nanontany Azy indray i Pilaty nanao hoe:

  • Tsy mamaly akory va Ianao? He izato hamaroan’ny zavatra iampangany Anao!

Fa tsy namaly intsony i Jesoa na dia kely aza, ka gaga i Pilaty. Ary isaky ny fetin’ny Paka dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray, izay angatahin’ny vahoaka; ka nisy kosa lehilahy iray atao hoe Barabasy niara-nifatotra tamin’ny mpikomy namany, satria nahafaty olona tamin’ny fikomiana. Dia niakatra ny vahoaka ka nangataka azy mba hanao araka izay fanaony aminy; fa namaly i Pilaty nanao hoe:

  • Tianareo va raha ny mpanjakan’ny Jody no alefako ho anareo?

Satria fantany fa fialonana no nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona Azy taminy. Kanjo ny mpisorona namoky ny vahoaka fa aleo i Barabasy no halefany ho azy. Ka hoy indray i Pilaty taminy:

  • Inona àry no tianareo hataoko amin’ilay antsoinareo hoe mpanjakan’ny Jody?

Dia niantso indray izy ireo nanao hoe:

  • Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary hoy i Pilaty taminy:

  • Fa inona àry no ratsy nataony?

Dia vao mainka niantso mafimafy kokoa izy ireo nanao hoe:

  • Fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

Ary noho i Pilaty te hahazo sitraka amin’ny vahoaka, dia nandefa an’i Barabasy ho azy izy, ary nampikapoka an’i Jesoa sy nanolotra Azy hofantsihana amin’ny Hazofijaliana. Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriany ny miaramila namany. Nony efa nampitafiany kapaoty jaky izy, dia nosatrohany fehiloha tsilo, izay norandraniny, ny lohany; ary dia niarahaba Azy izy nanao hoe:

  • Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

Sady nikapoka volotara ny lohany sy nandrora Azy izy, ary nandohalika nitsaoka Azy. Nony efa nolalaoviny toy izany Izy, dia noesoriny ny kapaoty jaky teny aminy, ka natafiny Azy indray ny fitafiany, vao nentiny hofantsihana amin’ny Hazofijaliana Izy. Ary nisy lehilahy Sireneanina atao hoe i Simôna, rain’i Aleksandra sy i Rofosy, nandalo avy any an-tsaha, dia noteren’izy ireo hilanja ny Hazofijaliany, ary Izy dia nentiny tao amin’ny tany atao hoe Gôlgôtà izay adika hoe tanin’ny karan-doha. Dia nomeny divay miharo mira Izy hosotroiny, fa tsy nety nisotro. Nony voafantsika tamin’ny Hazofijaliana Izy, dia nozarainy ny akanjony, ka loka no nataony hahazoany izay ho anjarany avy. Ary tamin’ny ora fahatelo no namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Ny filazana ny anton’ny namonoana Azy dia voasoratra hoe: MPANJAKAN’NY JODY. Ary nisy mpangalatra roa lahy niara-nofantsihany taminy tamin’ny hazofijaliana: ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany; ka tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: “Natao isan’ny ratsy fanahy Izy”. Ary izay nandalo dia sady nanevateva Azy no nanakifikifi-doha nanao hoe:

  • Hià! ry ilay mandrava ny Tempolin’Andriamanitra sy manangana azy indray amin’ny hateloana ity! Vonjeo ilay ity ny Tenan’ialahy, ka mialà amin’ny Hazofijaliana!

Ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia naneso Azy toy izany koa, fa izao no resany eo:

  • Ny sasany novonjeny, fa ny Tenany kosa tsy hainy vonjena. Aoka i Kristy Mpanjakan’i Israely hidina hiala amin’ny Hazofijaliana amin’izao, mba ho hitantsika ka hinoantsika.

Dia ireo niara-nofantsihana taminy avy koa no naneso Azy. Nony tamin’ny enina, dia rakotra haizina ny tany rehetra hatramin’ny sivy; ary tamin’ny sivy, dia niantso mafy i Jesoa nanao hoe:

  • Eloy, Eloy, lamà sabaktany?

Izany hoe:

  • Ry Andriamanitra ô! ry Andriamanitra ô! nahoana no dia nilaozanao Aho?

Nony nandre izany ny sasany tamin’izay teo, dia nanao hoe:

  • Indro miantso an’i Elia Izy.

Dia nihazakazaka ny anankiray tamin’izy ireo, novontosany vinaingitra ny spônjy sy notohizany volotara, dia natolony Azy hotsentsafiny, ka hoy izy:

  • Aoka hoe hozahantsika raha ho avy hanafaka Azy i Elia!

Fa niantso mafy i Jesoa, dia niala aina.

Ary rovitra nisasaka roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba tao amin’ny Tempoly. Ilay kapiteny nitsangana teo antandrifin’i Jesoa, nony nahita fa niala aina tamim-piantsoana mafy toy izany izy, dia nanao hoe:

  • Zanak’Andriamanitra tokoa io lehilahy io.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...