Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly. Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny, ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa. Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.

Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo. Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka, tsy mahazo mamoa ho azy, ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko. Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany. Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be, satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo. Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina; ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.

Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko, dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany. Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro".

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...