2 aprily 2024 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)

Ry kristianina havana; miasa ao anaty mistery Andriamanitra; rehefa mitambatra iny ny fahoriana dia eo indrindra no miasa Andriamanitra. Jereo ity Maria ilay nanara-dia an’i Jesoa: novonoin’ny olona ilay tompony narahany tamim-pitiavana, ilay ninoany sy nankatoaviny; avy eo koa mbola nisy nangalatra indray ny fatiny, dia niondrika nitomany izy; fa eo indrindra no manambara vaovao mahafaly Andriamanitra. Mitodiha any amin’ny Tompo; mitrakà mibanjina an’i Jesoa ary ankino aminy ny fanantenana fa ho tonga Paka fandresena io zoma masina lalovantsika io.

Vokatry ny Paka dia vavan’i Jesoa nitsangan-ko velona mihitsy no milaza amin’ireo mpianany hoe “rahalahiko” sy miantso hoe “Raiko sy Rainareo, Andriamanitro sy Andriamanitrareo”. Tonga iray tampo amin’i Kristy satria rahalahy sy anabaviny ary zanaky ny Ray ao Aminy. Izany no fahasoavan’ny Paka: fanandratana antsika any amin’ny voninahitr’Andriamanitra. Avy nihaona tamin’i Jesoa i Maria Madelenina dia lasa nitory: novonjena izy mba hitory famonjena koa; noafahana tamin’ny tahotra mba hitory fahafahana koa, satria arakaraka ny izarana ny hafaliana sy ny finoana no mampitombo ny hafaliana sy ny finoana. Alao hery àry: torio izay inoantsina ary iaino izay inoana sy toriantsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...