5 mey 2024 — Alahady fahenina Fankalazana ny Paka — Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)

Ry kristianina havana, teny niverimberina tamintsika teo ny hoe, tia na ny hoe, fitiavana. Mistery io teny io satria mamaritra ny fifandraisan’ny Ray sy ny Zanaka, azo atao hoe: fiainany mihitsy dia nozarainy sy iantsoany antsika koa aza. “Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no itiavako anareo koa.” Fitia-mifamaly, ”amour réciproque”no nisy teo amin’ny Ray sy ny Zanaka, ny Ray moa tia ny Zanaka ka nametraka eo Aminy ny zavatra rehetra, “transparence” noho izany dia tsy nisy tompon-trano mihono teo amin’izy ireo fa niombonany avokoa ny zavatra rehetra “Communion de vie”. Ary tamin’ny fotoana rehetra niainan’ny Zanaka, ihany koa, dia teo mandrakariva ny Ray “Présence”. Fa ny Zanaka koa etsy andanin’izany, dia nanaiky sy nanatanteraka izay sitraky ny Ray, nitandrina ny didiny ary nitoetra mandrakariva teo amin’ny fitiavany. Ny tia dia tsy manafina fa mizara, ny tia dia tsy samy maka ho azy fa miombona mandrakariva; ny tia dia tsy mamela ho irery na manilikilika fa eo mandrakariva. Aiza ho aiza amin’izany ny fitiavantsika? Fa voaantso hanao toa izany isika satria zandrin’i Kristy.

Ny tena zava-dehibe mila ianarana sy iainana dia hoe: “tsy kobaka am-bava na volana an-tetina ny fitiavana fa aseho amin’ny asa sy atao”; fanekena an’ilay tia; sahala amin’ny naneken’i Jesoa ny Rainy. Ny manahirana ankehitriny dia ny hoe: “Betsaka ny milaza fa tia, tia tanindrazana, tia ny vahoaka, tia ny vadiny, tia ny fiaraha-monina, tia ny asany, tia ny mpiara-belona, tia vavaka sns … kanefa toa ny mifanohitra amin’ny fitiavana aza no ataony; manao ny hafa ho fitadiavana tombon-tsoa manokana, manao azy ho tohatra fiakarana. Ny tena ratsy dia misy sahy manao fihanihanana fa tia, kanefa toa tsy mampaninona azy akory ny mivadika. Ny tena kristianina dia voafatotry ny anarany ka voadidy hitia. “Izao no didiko dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo”.

Ny fitiavana tsy misokatra amin’ny hafa, na tsy miraraharaha ny hafa dia fitiavana momba, tsy hanome vokatra na oviana na oviana ary fitiavana tsy hitoetra velively ao amin’Andriamanitra. Ny fitiavana no nanavotana antsika ary fitiavana ihany koa no haavotra antsika (Mt 25); koa miezaha mba ho tia tahaka an’i Kristy, sahy nanolotra ny ainy ho an’izay tiany.

Ampio izahay ry Jesoa, mba hiaina ny fitiavana niainanao, ny fitiavana natoronao sy andidinao anay isan’andro. Ary izay kely vitanay sy hiezahanay anie ho lavorarianao.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...