10 mey 2024 — Zoma, Herinandro fahenina Fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)

Ady ny fiainana ho isika, ny tsara tsy mba mora ary ny valala tsy azo raha tsy handriana hilika. Toy izany koa ny fiainam-pinoana, misy ady sy fijaliana iaretana mandrakariva mba hikatsahana ny tsara sy ny maha sambatra. Indraindray anefa, rahefa feno ny hafaliana dia adino izay niaretana; rahefa tonga ny Paka dia tsy tsaroana ny zoma masina. Izany ny fiainana: “Didi-maso asim-panafody, mahareta fa hanana ny soa”. Ny ampitso no banjinina.

Toy izany no nanafaran’i Kristy ny mpianany, nilazany mialoha izay hiseho sy izay iaretan’izy ireo vokatry ny fisarahana, mba hananany fanantenana fa hody hasambarana ny fahoriana iaretana, mba hananany koa finoana mafy orina ary indrindra hahalalany ny tena fiainana iantson’i Kristy azy ireo. Mampahatsiahy antsika ny tena fiainana ny finoana io tenin’i Kristy amin’ny mpianany io. Ny finoana mantsy dia tsy miorina amin’ny andro mahamirana sy mahasambatra eo amin’ny fiainana fotsiny, fa miorim-paka sy mihamafy ao anatin’ny toe-javatra miseho eo amin’ny fiainana manontolo, anisan’izany ireo andro mahaory, ireo fotoana iaretana fijalina; ka ilana faharetana sy tsy fivadihana izany.

Sahala amin’ny nanjo ireo mpianatra ihany koa ny fiainantsika, mikatsaka an’Andriamanitra, manara-dia an’i Kristy ka ilana fahatokisana Azy Andriamanitra izany, ary ilana faharetana koa amin’izay ady atrehina. Mety ao anatin’ny alahelo sy ny tomany ianao ankehitriny, mety miaritra zava-manahirana, na mahatsiaro ho miady irery, matokia an’ilay niantso anao, matokia an’Andriamanitra, fa hody hafaliana izany, amafiso ny finoana. Mety ao anatin’ny hafaliana kosa ianao amin’izao fotoana izao, fa miezaha tsy ho tafalatsaka indray ao amin’ny alahelo, izany hoe miezaha mba tsy ho tafasaraka amin’i Jesoa, ilay fototry ny hafaliana sy fahasambarana. Ny tena hafaliana ho antsika dia ny manana an’Andriamanitra, ny miaraka amin’Andriamanitra, koa miezaha hiombom-piainana tanteraka Aminy.

Jesoa ô, osa sy malemy izahay zandrinao, koa aza avela ho kivy na tojo ny sarotra aza, fa ataovy mifikitra aminao mandrakariva.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...