Ny ray aman-dreny no môdely ho an'ireo zanaka, ary manana adidy hametraka rafitsaina mendrika ny maha olombanona. Ny fanabeazana dia mila saina tia karokaroka ; tsy afaka misaraka ny fanabeazana sy ny fiainam-pirenena izany hoe miainga ao an-trano. Manahirana ny fanabeazana ankehitriny, antony vitsy ny tsy fahampian'ny fotoana hifampiresahan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny, eo koa ny herin'ny vola izay lasa toy ny sampy... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny fahasalaman'ny zokiolona dia miankina amin'ny tontolo manodidina azy. Isan'ireo mandrafitra ny fahasalaman'ny zokiolona ny hafaliana, fanatseham-batana, fahafahana mikarakara zavatra iray. Rehefa +55 taona ny olona iray dia efa azo lazaina hoe "zokiolona", izay mety ho tojo fahasahiranana ara-pahasalamana raha tsy nihomana tamin'ny lafiny maro, talohan'io taona io ; ohatra ny fitandremana ara-tsakafo, ny fitaizam-batana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Nilofo fatratra tamin'ny fiompiana kankana hamokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 2 taona. Tsy mamihana samy irery ny voka-pikarohana ka nahitan'izy ireo tombotsoa ny mpitarika Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon'ireo mpikambana amin'ny fampiasana ny zezika kankana...
Mihamafy ny andavanandrom-piainan’ny fianakaviana manoloana ny fahasahiranana isan-karazany. Toa lasa laharam-pahamehana ny fitadiavana sy fivelomana isan’andro ka mihamanjavona ny kalitaom-pifandraisana noho ny havizanana sy ny raritsaina aterak’izany. Ny fiarahana miatrika izany anefa dia mamelona fanantenana lehibe ho an’ny tsirairay ao anaty fianakaviana. Ny fahasarotana indrindra no tokony vao maika hanosika hiray hina sy hifankatia ary hifanohana... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana Vaomieran'ny Eveka misahana ny fianakaviana ary ny ivon-toerana Arrupe.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco