Vaovao ny taona, vaovao manaraka izany ihany koa ny loha-hevitra hodinihina sy hovelabelarina mandritra ity taona 2024 ity. Fandraisana andraikitra sy fanomezan-danja ny tsirairay anaty fiaraha-monina, izay no loha-hevitra lehibe hitondrana ny fandaharana EVA mandritra ny taona. Nampatsiahivina ny antom-pisian'ny fandaharana EVA sy ny tanjony ary fampahafantarana ireo mpandray anjara hifandimby hanentana ny fandaharana mandritra ny taona. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...

Ny safidy no fototry ny fiainana, raha tiana ho tsara ny fifandraisana eo amin'ny olon-droa, eo amin'ny sehatra roa samihafa dia tokony hajaina amin'ny safidiny ny olona tsirairay. Ny safidy dia miainga amin'ny finoana ihany koa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Fanontaniana mipetraka ny hoe malagasy manao ahoana no afaka mifanampy hampandroso an'i Madagasikara. Fanabeazana sahala amin'ny ahoana no tsy maintsy hapetraka mba ho singa hampandrosoana ny firenentsika. Ny fanabeazana no tsy maintsy hatao laharam-pahamehana raha toa ka manana vina hampivoatra ny firenena iray. Ireo fitsipika hamari-pototra ny fanabeazana :  fifanajana, fametrahana sy fanarahana fitsipika, miezaka ho maodely tsara, fametrahana tontolo mahafinaritra hanamorana io fampitana fanabeazana... Fandaharana "ampela miary" niarahana tamin'ny Ramatoa Aliette Abraham. 

Ny fisotroana toaka tsy voalanjalanja dia mahatonga tsy fahatsiarovan-tena maharitra, io tranga io anefa mety ho antony hafaty olona iray raha tsy voasoroka. Tsy ny toaka ihany anefa fa izay zava-pisotro rehetra misy "alcool". Tsy miankina amin'ny fatran'ny taoka nosotroina ny mahatonga ny tsy fahatsiarovan-tena fa araka ny toe-batana. 30 hatramin'ny 45 minitra aorian'ny nisotroana dia tonga ao amin'ny aty ny toaka, ka mampiasa mafy ny aty sy ny sarak'aty, eo no voakitika ny famokarana "insuline" ilay manodina ny siramamy ao amin'ny vatana, isan'ny famokarana saropady indrindra ka mahatonga ilay tsy fahatsiarovan-tena... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...