Ny maso miloko mena dia fambara fa marary io taova entina mijery io. Ny maha mena ny maso dia misy ra miparitaka ao anatin'ny maso. Saropady ny maso koa raha vao misy tranga mampiahiahy dia entanina hatrany hanatona eny amin'ny mpitsabo. Ny firafitry ny maso dia ahiatana ny sosona nofo manify miisa enina ary ao anatin'izay ihany koa ny lalan-dra, ka io faritra io no misy fahavakisana lalan-dra na fibontsonana. Antony mahatonga ny aretina : fahalotoan'ny rivo sy ny tontolo iainana, fijirena "ecran" ela loatra, tsy fampiasana fiarovana maso amin'ny asa manimba maso, tsy fahampian'ny torimaso...
Mamaha olana amin'ny tsy fahitan'ny tanora asa ny filofosana amin'ny fiompiana. Isan'ny nahazo vokatsoa tamin'izany Andriamatoa Randrianarisoa Lancia. Niainga tamin'ny bitro miisa 5, Andriamatoa Randrianarisoa Lancia, monina ao amin'ny Kaominina Anjepy, distrikan'i Manjakandriana, ankehitriny efa maherin'ny 2.000 isa ny bitro novokariny tao anatin'ny taona vitsy.
Fantaro ny zava-misy ara-toetr'andro ankehitriny sy ny vokatr'izany eo amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Niteraka voka-dratsy maro eo amin'ny lafin'ny fahasalamana ny fiovan'ny toetr'andro ka aleo misoroka toy izay mitsabo, ary izay tsara fiomanana tsy tampohin'ny loza. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagascar.
Amin'ny fiainana dia atao fomba fanao ny manao jery todika ny zavatra nisy sy nolalovana mba entina hanatsarana ny ho avy. Tsara ny hametrahana ny fanontaniana amin'ny tena : aiza ho aiza ny fiainanao eo anatrehan'ny safidy noraisinao?. Ny fanaovana an'io safidy io araka ny tokony ho izy dia hahatsara ny fiainanao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco