Rafitra no havaozina anefa, isika rehetra no manana andraikitra sy adidy amin'ny izany amin'ny alalan'ny fitiavan-tanindrazana ; aoka hialàna ny risoriso, ny tsy fanajana lalàna sy ny tsy maty manota. Nikorosofahana hatrany ny firenena taorian'ny repoblika voalohany ; azo heverina ho fanarenana ny zava-misy ny fanompom-pirenena, maro mantsy ny vokatra tsara vokatry ny nanaovana izany teo aloha toy ny fahavitan'ny lalana, fahatsaran'ny lafiny fampianarana, nanohana ny fambolena sy ny fiompiana, indrindra ny fahasalamana... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Taloha dia manodidina ny folo ny zanaky ny mpivady iray, fa tamin'ny ankapobeiny ny reny no tena niankinan'ny fitaizana, nanampy tamin'ny izany anjara andraikitra izany ihany koa ireo zanaka efa lehibe. Ny zoky dia nanampy tamin'ny fitaizana ary io no antony nametrahan'ny maro "ny zoky dia ray aman-dreny". Mahay mifaly, mahay mionona ny zanaka tamin'ny fitaizana taloha, fa ny ankizy ankehitriny dia toa voavolavola handray izay efa nomanin'ny ray aman-dreny... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Efa mahay mandray fanapahan-kevitra amin’ny fampivoarana ny fidiram-bola any aminy ny fikambanan’ny tantsaha eto amintsika. Tsy mianona amin’ny lalam-pihariana nifotorany hatramin’izay fa mitady lalam-pihariana fanampiny. Isan’izany ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny sy ny Soa Mitambatra Amoron’i Mania.
Ny sehatra fanehoan-kevitra dia fomba iray afahana mampandray anjara ny tanora, indrindra amin'ny fampandrosoana ny firenena. Ny 70% amin'ny mponina eto Madagasikara dia tanora ka azo lazaina ho singa lehibe afahana mampandroso firenena ny fanomezana sehatra azy ireo. Raha tsy omena sehatra ny tanora dia lasa mijanona ho mpitazana izy fa tsy ho mpandray anjara amin'ny fiainan'ny firenena, na ny momba ny tenany mivantana koa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco