Aoka mba hiainantsika tokoa izany fahavanonana izany, ary hitondra am-bavaka mba hiverenan'ny fandriam-pahalemana, indindra isika Malagasy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, ranomasin'ny fandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Misy fizarana sivy ny faritry ny kibo, ka samy hafa, araka izay faritra ahatsapana fanaintainana ny aretina mety mahazo ny olona iray. Ny fizarana sivy : mizara telo amin'ny tsanganana, avy eo ambany nono hatreo amin'ny valahana, ary mizara telo ihany koa ny avy amin'ny lafiny avia miankavanana ; somary lehibe kokoa ny faritra afovoany rehetra manandrify ny foitra. Ny fanaintainana amin'ny faritry ny kibo dia tsy aretina fa soritr'aretina. Ny karazan'ny fanaintainana : manindrona, mavesatra, manotika, miolana...

Mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny vehivavy, amin'ny andraikitra raisiny eo anivon'ny tokantrano, fiaraha-monina, fiangonana. Ilaina ny fahazotoana sy ny finiavana ao anatin'izany. Ho fitantanana izany anefa dia ilaina ny fifampiresahana eo anivon'ny tokantrano, manoloana ireo andraikitra marobe raisina ireo.

Miray hina hampivoatra ny velon-tenan'ny vehivavy tantsaha any amin'ny Faritra Vakinankaratra ny vehvavy mivondrona anatin'ny fikambanana misehatra amin'ny asa fampandrosoana eny ambanivohitra ao amin'ny distrika Mandoto na ny FARM "Femme en Action Rurale de Madagascar" Vakinankaratra. Manome lanja ny fiarovana ny tontolo iainana izy ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...