Tamin'ny 24 marsa 2021 no andro maneran-tany hiadiana amin'ny raboka. Ity farany dia aretina mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora avy amin'ny olona mitondra ny otrik'aretina. Ny fambara mety hiseho dia koho-davareny mandritra ny roa herinandro, mihamahia, misy hafanana, misy rehoka fa tsy maintsy manao fitiliana mba hamatarana ny tena aretina marina sao fambaran'aretina hafa mihitsy... 

Namaritra fanamby hametraka mari-pamantarana momba ny kalitao na ny “label qualité” ho an’ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ny Malagasy Dairy Board. Izay no ifantohan’ny tohana atao amin’ny mpiantsehatra miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka… Fanamby nandritra ny fivoriambe notanterahana tamin’ny 19 Marsa 2021 teo… 

Vehivavy mahery, miatrika ny vanim-potoana ankehitriny. Ny atao hoe vehivavy mahery dia vehivavy mahafantatra ny tenany, mankafia ny tenany ary tsara fifandraisana amin’ny hafa. Miteraka voka-tsoa ho azy sy ho an’ny manodidina azy izany…

Ny tokony hatao manoloana ny tranga rehetra mianjady ny olona mitondra ny "TERINTSAINA" na "STRESS".(24-03-2021)

[Miara-dàlana] Zoma 1 aogositra 2025

• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...