Ny fifampiresahana sy ny fifanakalozan-kevitra no fomba afahana miala amin' ny fidorohana zava-mahadomelina. (24-02-2021)
Ny psikolojia na ny dingam-pivoaran'ny toe-tsain'ny olona iray manaraka ny taoanay ka misongadina ny an'ny ankizy ao anatin'ny vanim-potoana ny fahamaotiana. Ny zaza dia hatramin'ny faha 12 taonany fa manomboka amin'ny faha 13 taona hatramin'ny 15 dia efa miroso amin'ny mahatanora azy, io ilay vanim-potoana fahamaotiana. Amin'io vanim-potoana io dia manahirana ny mitaiza ny ankizy : be famaliana, varimbariana...
Ny androbe dia aretina azo tsaboina tsara, mety ahazo ny olona rehetra, tsy asan'ny maizina fa aretin'ny loha. Ny androbe dia fanintona miverimberina ary mitovy ny fitrangany, vokatry ny fikorontanan'ny herinaratra ao amin'ny selan'ny atidoha. Mety ho antony : dona nahazo, hatrany am-bohoka, fahatapahan'ny lalan-drà amin'ny atidoha... Tsy mifindra ny androbe...
Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco