4 ôktôbra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 13-16)

Mitady loza izay tsy mahay mandray ny fampianaran’i Jesoa. Tsara ho marihina aloha fa tsy nanozona Izy eto fa antso ho an’ny fibebahana ho an’ireto tanàna ireto: Kôrôzaina, Betsaida. Fa na eo aza ny fahagagana natao taminy tsy mbola nibebaka ry zareo. Amin’izao androntsika izao kosa ny tanàna izay misy antsika indray kosa manjary Kôrôzaina sy Betsaida vaovao raha toa ka manampin-tsofina amin’ny antsom-pibebahana ataon’Izy Tompo. Tsy votery ho tanàna ihany fa na ny tenantsika koa aza mety ho tonga toy izany. Koa aoka tsy hanetsin-tadìny amin’ny antson’ny Tompo, ny fampianarany entin’ny Eglizy isika fa hiova ka hibebaka, hamela izay ratsy, hanova izay tsy nety, hiova famindra, hanarina ny lesoka, araka ny fiteny hoe: “toko tapaka, vilany mitongilana ka izay tsy mety harenina”.

Efa nahazo tsiny tamin’Andriamanitra ny vahoaka Israely hatramin’ny Testamenta Taloha, tamin’ny hamafisana hatoka sy hadonton’ny fony, ka eto indray miteny izany amin’i Kôrôzaima sy Betsaida i Jesoa. Aoka isika tsy hanamafy ny fontsika fa hisokatra amin’izany antson’Andriamanitra izany. Zoma voalohany izao ka meteza miantoraka amin’ny Fon’i Jesoa be fitiavana sy loharanon’ny famindram-po, fa misokatra, midanadana ho antsika mandrakariva ny Fony. Ka toy ny isokafan’ny Fony amintsika no aoka hampisokatra ny antsika ihany koa ho Azy sy amin’ny manodidina antsika. Aoka tsy hakombona ho an’ny tenantsika fotsiny ihany fa ho an’ny hafa ihany koa raha tsy izany manjary ho mafy fo isika ka tsy hidiram-pahasoavana velively, sanatria anie izany, aza mahavoa antsika!

Mazava eto ny tenin’i Jesoa amin’ny mpianany hoe: “Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy.” Aoka hahay hihaino sy handray ireny iraka ireny isika. Ny mihaino mantsy tsy hoe mandre fotsiny fa mampihatra izany eo amin’ny fiainana; izany hoe: mandray sy mankatò izay lazaina. Izay manamavo na maniratsira na manevateva ireny iraka ireny dia miantefa any amin’ny mpaniraka izany ka ho loza. Misy fifamatorana mantsy ny mpaniraka sy izay irahina, indrindra ireo mamita ny iraka araka ny tokony ho izy. Ny adidy tsy an’olon-dratsy ka tsy tokony hiroa fo isika manefa izany. Ho an’ireo mpandray ny iraka kosa mba handray izany am-pitiavana sy fahatokiana. I Masindahy François avy any Asizy anie hivavaka ho antsika amin’izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...