1 nôvambra 2024 — Ny Olomasina rehetra — Fankalazana manetriketrika — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12a)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka Azy,
dia niakatra teo an-tendrombohitra,
ary rehefa tafapetraka Izy,
dia nanatona Azy ny mpianany,
ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

“Sambatra ny mahantra am-panahy,
fa azy ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ny malemy fanahy,
fa izy no handova ny tany.
Sambatra izay mitomany,
fa halàna alahelo.
Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana,
fa ho voky izy.
Sambatra ny mamindra fo,
fa hamindrana fo izy.
Sambatra ny madio fo,
fa hahita an’Andriamanitra izy.
Sambatra ny tia fihavanana,
fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy.
Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny,
fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra.
Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina
ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko:
mifalia sy miravoravoa ianareo,
fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...