29 desambra 2024 — Ny Fianakaviana Masina — Fety — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 41-52)
Ry havana ! Mankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina ny Fiangonana amin’ity alahady manaraka ny Noely ity. Miresaka momba ny fiainan’ny Fianakaviana Masina tao Nazareta indrindra ity Evanjely ity eto. Voalaza teo fa namonjy ny fetin’ny Paka tany Jerosalema araka ny fanao izy telo mianaka: dia i Maria sy i Jôsefa ary i Jesoa. Ny Paka mantsy dia fety lehibe ho an’ny Jody. Ary ny Paka no fety voalohany indrindra amin’ireo fety telo isan-taona natao hankalazana manokana an’Andriamanitra, araka ny voalaza ao amin’ny Eksaody 23, 14. Ka ny lehilahy ao anatin’ny fianakaviana dia voalaza ao anatin’izany fa natao hiseho eo anatrehan’ny Tompo Andriamanitra in-telo isan-taona (Dt 16, 16). Araka izany, tena nanaraka tsara izay voalazan’Andriamanitra ity fianakaviana ity. Manambara amintsika izany fa Andriamanitra no fototry ny fianakaviana; ka Izy Andriamanitra ihany koa no tokony hifikiran’ny fianakaviana rehetra.
Ny mahamasina ny fianakaviana dia ny fiankinana tanteraka amin’Andriamanitra Ilay Masina indrindra. Koa mba tsy ho sarotra izay fiankinan’ny fianakaviana amin’Andriamanitra izay, dia niditra tao anatin’ny fianakaviana i Jesoa mba hanamasina ny fianakaviana, hanome lanja azy ary hanandratra ny hasiny. Hilazàna amintsika olombelona fa sarobidy eo imason’Andriamanitra ny fianakaviana. Nasehon’i Jesoa izany tamin’ny nijanonany tany Jerosalema tao an-tempoly rehefa tapitra ny fety. Tsy di-doha akory no nataon’i Jesoa eto amin’ny mahatovolahikely Azy (12 taona), hoe: te-hahaleo tena hisaraka amin’ny Ray aman-dreniny amin’izay. Fa ny tiany hampitaina amintsika dia hoe tsy maharitra ny fianakaviana raha tsy ao amin’Andriamanitra irery ihany. Ka aoka tsy hijanona amin’ny fianakaviana ara-nofo ihany isika, iray rà; fa hametraka an’Andriamanitra ho isam-pianakaviantsika ihany koa. Izany hoe aza heverina ho toy ny olon-kafa tsy mahakasika anao Andriamanitra, fa ataovy toy ny iray rà aminao, mahakasika anao, maharary anao ka aoka tsy hanalavitra Azy.
Jereo izao eto ohatra fa tsy nahita an’i Jesoa ireo Ray aman-dreniny rehefa nitady Azy tamin’ny havany (iray rà aminy) sy ny olom-pantany. Hilazàna amintsika fa tsy ao amin’ny havana, fianakaviana iray rà ihany no hahitana vahaolana eo amin’ny fiainam-pianakaviana fa ao amin’Andriamanitra indrindra. Ka ny fanabeazana tsara indrindra ny ankohonana dia ny fanabeazam-pinoana any an-tranon’Andriamanitra. “Tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho”, hoy i Jesoa. Toy izany koa no nanabeazana an’i Samoela kely (1S 2, 26). Nijanona nanompo an’Andriamanitra teo anatrehan’i Heli mpisorona izy tao an-tempoly. Ka tsy nahagaga raha nantsoin’Andriamanitra ho tonga mpisorona tamin’ny Israely. “Koa zaro amin’ny làlana tena izy àry ny ankizy”; fa “izay tsara fanabe ny zanany, hahazo tombontsoa avy aminy, ary ho rehareha aminy eo anatrehan’ny olom-pantany”. Hoe: zanako iny! Koa tandremo mampiangoty zanaka. Satria “tonga tsy azo entina ny soavaly tsy voafolaka; ary tonga adaladala ny zaza navela hanaram-po” Sir 30.
Ny adidin’ny zanaka eo anatrehan’izany dia manaiky ny Ray aman-dreny toy ny nataon’i Jesoa teo. Koa mba hijoroan’ny fianakaviana tsara àry dia aoka hifanaiky ny mpianakavy, indrindra ny zanaka. Fa “izay manaja ny rainy manonitra ny fahotany ; ary manangon-karena izay manaja ny reny” Sir 30.