Vakiteny voalohany
Boky voalohan’i Samoela (1 Sam 1, 20-22. 24-28)
Nentin-dray aman-dreniny tao an-Tranon’ny Tompo i Samoela kely.
Tamin’izany andro izany i Elkanà dia nahalala an’i Anà vadiny,
ary ny Tompo nahatsiaro azy.
Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy,
ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’ny Tompo, hoy izy.
Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra,
hanatitra amin’ny Tompo ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.
Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy izy tamin’ny lahy:
“Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko hiseho eo anatrehan’ny Tompo
sy hitoetra eo mandrakizay...”
Nony efa notazany ny zaza dia nentiny niakatra niaraka taminy,
sady naka vantotr’omby lahy telo, sy lafarîna iray efah,
ary divay eran’ny siny hoditra izy,
dia nentiny nankao an-Tranon’ny Tompo tao Silô izy.
Mbola tanora kely ny zaza.
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’omby lahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helî ny zaza.
Ka hoy i Anà:
“Aza mahafady, Tompoko, raha velona koa ny ainao, Tompoko,
dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’ny Tompo.
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko,
ary neken’ny Tompo ny fangatahana nataoko taminy.
Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’ny Tompo;
nafoy ho an’ny Tompo izy amin’ny andro hiainany rehetra”.
Dia niankohoka teo anatrehan’ny Tompo izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 83, 3. 4. 5-6. 9. 10
Mahatehotia ny fonenanao, Tompon’ny tafika.
Ny fanahiko manembona ka reraka
manina ny kianjan’ny Tompo.
Ny foko, ny nofoko mihoby
an’ilay Andriamanitra velona.
Ny fody avy no mahita rano hialofana,
ny sidintsidina mahita akany ho an-janany:
anilan’ny ôtelinao, ry Tompon’ny tafika,
ry Mpanjakako sy Andriamanitro.
Sambatra izay monina ao an-tranonao,
ka midera Anao mandrakizay.
Sambatra ny olona omenao hery
rehefa mikasa hiakatra any am-bohitrao.
Ry Tompo Andriamanitry ny tafika ô,
mba henoy vavaka re aho,
ry Andriamanitr’i Jakôba ô,
aoka Ianao hampandry sofina.
Jereo, ry Andriamanitra Mpanasoa anay:
tazano ny tavan’ilay Nohosoranao.
Eny, andro iray ao an-kianjanao
mihoatra ny arivo any an-kafa.
Vakiteny faharoa
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 1-2. 21-24)
Ny didy dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy sy ny hifankatiavantsika.
Ry hava-malala, endrey ity haben’ny fitiavan’Andriamanitra antsika,
amin’ny iantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra,
sady tena zanany tokoa isika!
Fa izao tontolo izao no tsy mahalala antsika,
dia noho izy tsy mahalala Azy.
Ry hava-malala, zanak’Andriamanitra isika ankehitriny,
nefa mbola tsy naseho izay ho tena toetrantsika;
fa amin’ny andro hampisehoana izany, dia fantatsika fa hanahaka Azy isika,
satria hahita Azy araka ny tena toetrany.
Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
Ary na inona na inona hangatahintsika dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Ary izao no didiny: ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany,
sy ny hifankatiavantsika araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny dia mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy;
ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy,
dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia, aleloia.
Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 2, 41-52)
Hitan’ny ray aman-dreniny teo afovoan’ny mpampianatra i Jesoa.
Isan-taona ny ray aman-drenin’i Jesoa
dia nankany Jerosalema amin’ny andro fetin’ny Paka;
ka nony efa roa ambin’ny folo taona Izy,
dia niakatra araka ny fanao amin’izany fety izany izy ireo.
Ary nony tapitra ny andro fety ka nody izy,
dia nijanona tany Jerosalema i Jesoa Zazakely,
nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany.
Nataon’izy ireo hoe niaraka tamin’ny niray dia taminy Izy,
ka nandeha lalana indray andro vao nitady Azy tamin’ny havany sy ny olom-pantany;
ary nony tsy nahita Azy, dia niverina tany Jerosalema indray nitady Azy.
Ary nony afaka hateloana,
dia hitany tao anatin’ny Tempoly Izy nipetraka teo afovoan’ny mpampianatra,
ka nihaino sady nanontany azy,
ary talanjona izy rehetra nandre Azy noho ny fahendreny sy ny famaliny.
Ary nony nahita Azy izy ireo dia gaga, ary hoy ireniny taminy:
“Anaka, nahoana Ianao no nanao toy izany taminay?
Inty irainao sy izaho malahelo mitady Anao”.
Fa hoy Izy taminy:
“Nahoana no nitady Ahy ianareo?
Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho ao amin’ny Raiko Aho?”
Saingy tsy azon’izy ireo ny teny nolazainy taminy.
Dia niara-nidina taminy nankany Nazareta Izy, ary dia nanaiky azy;
fa ireniny kosa nandinika tsara izany zavatra rehetra izany tao am-pony.
Ary i Jesoa nitombo fahendrena sy tena,
ary nandroso nahatehotia tamin’Andriamanitra sy ny olona.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.