11 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona— Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 1-13)

Ny lalàna dia zavatra tsara, ny fomban-drazana dia zavatra tsara. Tsy tokony hahatonga antsika hanadino ny fiantrana mihitsy anefa izy ireny, raha fomba tsara ireny dia tokony hanampy antsika tsy hanadino ny tena fitiavana misy ao amintsika ireny, satria matoa noraisina ho fomba eo amin’ny fianakaviana na ny fiara-monina na ny fiangonana dia zavatra hahatsara ny olona izay.

Ka ny fomba tsara ananantsika dia manampy antsika hahalala ny fomba tena handraisana ny hafa, ny fidirana amin'ny fifanakalozan-kevitra tena izy miaraka aminy, ny fifanakalozan-kevitra izay afaka manaporofo ny mahatsara ny tsirairay, mitondra fivoarana, fa tsy fomba entina hanamelohana tahaka ireto mpiahatsaravelatsihy, satria matetika isika manome lanja ny fihetsika, ny fombafomba, nefa manadino ny tena ilaina. Ary ny tena zava-dehibe dia ny fahamarinan’ny fontsika eo anatrehan’ny Tompo, ny fitiavana hanampy ny hafa, indrindra ireo solafaka. Moa ve isika mpanao fombafomba sa zanak’Andriamanitra izay tsy maintsy mianatra mandrakariva Aminy sy manokatra ny fontsika Aminy ho amin’ny fiovam-pontsika, alohan’ny hitakiana ny an’ny hafa?

I Jesoa niteny teo hoe “ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo”. Mangataha àry amin’Andrimanitra isika mba tsy hiaina amin’ny fombafomba sy fihetsika ety ivelany fotsiny, fa tena hivelona ny didin’Andriamanitra, dia ny fitiavana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...