13 febroary 2025 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Lalina ny valintenin’ity vehivavy ity amin’i Jesoa, izay vehivavy jentily tsy Jody akory. Nanaiky hitovy laharana amin’ny alika. Tena mahataitra tokoa no maheno ity teny nampiasain’y Jesoa ity ka tsara hiverenana ny tantara. Ho an’ny Jody tamin’izany fotoana izany, ny jentily dia nankahalainy ho mpanompo sampy, ary matetika no natao toy ny alika mihitsy, ary noraisina ho tsinontsinona teo amin’ny fiaraha-monina, ary tena maloto.

Tsy fiheverana toy izany anefa no tao ampon’i Jesoa fa ny nataony dia izay hahatakaran’ity vehivavy ity fa tsy Jody izy, ary ny zavatra angatahiny dia fahasoavana lehibe, fahasoavana lehibe natokana ho an’ny Jody, tena mpino marina. Ankoatra izay dia tsy tafintohina ilay vehivavy fa nandinika ny zava-misy ihany koa, tsy mihevi-tena ho Jody, ho olona “marina”, fa olombelona tsotra ihany ka noho izany dia tonga mangataka ny “marina”, “potipoti-javatra”. Tsy vitan’ny hoe nanetry tena be izy, fa naneho finoana lehibe koa.

Ny fahatsapany ny hasarobidy sy ny halebehin’ny fahasoavana avy amin’i Jesoa no nahavoavonjy zanany sy izy. Naneho finoana lehibe. Natao ho an’ny olon-drehetra ny famonjen’Andriamanitra rehefa mahatsapa ny hasarobin’izany isika. Hatraiza no fahavononantsika handeha haneho ny finoantsika Azy? Mba ataovy azo tsapain-tanana tahaka ny an’i Jesoa. Izany hoe mba mandray an-tanana ny fiainan’ny olona hafa ve isika, maneho firahalahiana amin’ireo vahiny, olona hafa loko, ny finoana hafa, ny sehatra sosialy hafa? Satria tsy nanavakavaka i Jesoa, dia nandray sy nihaino ary namaly ny vavak’io vehivavy mpanompo sampy io. Hagatahintsika amin’Andriamanitra mba hananantsika izany fo mandray ny fangatahan’ny hafa izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...