24 febroary 2025 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)

Manampy antsika hijery ny fifandraisan’ny vavaka sy ny finoana ity tantara aroson’Andriamanitra ho sakafom-panahintsika anio ity. Vavaka no nataon’ity raim-pianakaviana ity tamin’i Jesoa, vavaka fangatahana fahasitranana amin’ny fanangolen’ny demony an’ity zanany mijaly vokatr’izany fanangolena izany.

Hanao dingana amin’ny finoana no anasan’i Jesoa hataony, finoana fa ao amin’i Jesoa Kristy no ahitana famonjena sy fahafafahana. Nanao an’izany tamim-pahatsorana sy tamim-panetren-tena ity raim-pianakaviana ka nahatsapa fahagagana tamin’ny tenany, no sady ho an-janany.

Manasa antsika handinika ireo vavaka ataontsika isan’andro ity Evanjely anio ity, vavaka tokony arahim-pinoana na fahatokisana an’ilay Andriamanitra ivavahantsika.

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...