25 febroary 2025 — Talata, Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Amin’alalan’ny fiombonana aina amin’i Jesoa Kristy no ahafantaran’ny olona antsika hoe kristianina. Fiombonana aina midika hoe, miara-mifaly sy miara-ory aminy, mandray amin’ny fiainany na amin’ny mora na amin’ny sarotra. Tsy tao an-tsain’ireo mpianany anefa izany fa ny fibatana ilay tapany faharoa amin’ny fiainan’ilay Mpampianatra arahin’izy ireo no nimatematesany sy nifamaliany teny an-dàlana, hany ka voatery nampahatsiahy azy ireo ny làlana tsy maintsy hizorany i Jesoa.

Làlana mifono fanetren-tena, làlana mitaky toe-tsaim-panompoana ny hafa, fa làlana ahatsapana ny lanjan’ny fanekena hanara-dia tahaka ny zazakely manara-dia ireo ray aman-dreniny sy matoky amin’izay làlana itantanany ity zanany.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...