Zoma 26 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 20-26

Tsy ny harena na ny fahaizana na ny halavana akory no atao manatombo amin’ny an’ny mpanora-dalàna sy ny an’ny Farisianina fa ny fahamarinana, araka ny lazain’i Jesoa eto mba hahazoana miditra ny fanjakan’ny lanitra. Izany hoe izay efa ananana no atao lehibe kokoa. Ny olana anefa dia ilay izy aza tsy mbola ananana akory ka ahoana moa no hahatonga azy ho lehibe kokoa ? Izany hoe : marina amin’ny tena, na ny teny na ny atao, amin’ny manodidina, indrindra amin’Andriamanitra ; efa tsy maintsy tontosaina ireo fa ny lehibe kokoa ezaka tsy maintsy tratrarina. Karemy ny andro, ka fotoana tsara anaovana jery todika izao mba hahafahana miroso lavidavitra kokoa ho amin’ny tsara, iadiana amin’ny tsy fahamarinana rehetra, ialana amin’ny fahalovana ary anajanonana ny kolikoly amin’ny endriny rehetra. Koa tsy mety ny mionona amin’ny eo ho eo fa ezahana hatrany ny mitady ny tsaratsara kokoa hatrany mba hivoatra. Isan’ny fibebahana takiana amin’izao karemy izao izany. Eto izao tsy izay mamono olona ka mahafaty azy fotsiny no entina amin’ny fitsarana fa izay mitezitra ny rahalahiny, izay manao zinona azy ireny dia efa meloka. Firifiry anefa ankehitriny ireo mpiray tampo miady, mifandratra, mifanenjika hatrany amin’ny fitsarana, mifanaratsy, noho ny ady lova na ady tany na ny harena na ny fananana na hevitra na firehina tsy mitovy, ka tsy mifampiditra an-trano, vita hatramin’ny tsy mifandevi-maty ! Zarazarain’ny tokan-trano mahalana, ny loko politika na fivavahana, ny tany avo avaratra, ny omby mahia tsy lelafin’ny namany, sy ny sisa maro be. Aza manamavo ny hafa isika fa iray Ray, dia Andriamanitra, ka samy mpiray tampo ao Aminy avokoa. Mitondra antsika ho aiza ireny rindrina na hantsana foronintsika hampisaraka antsika ireny ? Matetika ireny no mamatopatotra sy mamingampingana antsika satria miantehitra amin’ireny isika. Tsarovy anefa fa manodoka izy ireny matetika, ka izay miantehitra aminy dia miantehitra amin’ny hazo boboka. Efa betsaka no nitondra faisana tamin’izany nefa tsy vitsy koa ireo tsy tonga saina fa mbola manohy ihany.

Fa raha mandeha lavidavitra kokoa isika dia hahatsapa fa natao hanampy izy ireny fa tsy natao hianteherana velively. Aza ny lesoka kely mety mitranga no roritina ka hahatonga ny vongam-pasika ho tendrombohitra tsy azo hanihina fa aoka ny trano efa mitsangana ezahana hatsaraina hatrany, ny fefiloha efa mijoro no tovonana hatrany tsy hikoro, ny fihavanana efa misy, na vokatry ny ra iraisana na ny fifandraisana nampifamatotra, no aoka hamafisina sy tandrovina fatratra mba tsy hananantsika trosa miala eto amin’ity tany fandalovana ity. Tadidio fa raha alatsaka ao an-trano maizina isika dia tsy ho afaka ao mihitsy, ambara-pandoa ny variraiventy farany. Aza mahavoa anie ny toy izany. Mandalo isika no eto, samy mbola ety an-dalana fa tsy misy maharitra ka samy mbola ho vovoka ihany avy eo, ka nahoana no tsy hihavana sy hifankatia ? Tsy ny hitsara antsika no maha maika an’Andriamanitra fa ny hamonjy antsika ka raha samy mbola ety am-pivahinianana isika dia aoka hifanatona ka hifamela mandrakariva. Ny molotra, hono, no mifanatona rehefa tezitra sady mivindina be aza, fa rehefa faly vao mihataka ; fa isika kosa samy zanak’Andriamanitra, mpiray tampo fa rantsambatan’i Jesoa, tempolin’ny Fanahy Masina ka hihavana sy hifanatona foana na amin’ny mora na amin’ny sarotra, tsy hisy hampisaraka izany, toy ny amin’izao Corona izao. Amin’izay velona iray trano be iombonana, maty iray fasana fa samy ho vovoka ka hiray lanitra mandrakizay ! Ho toa amintsika mianakavy anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...