Alahady 28 marsa 2021 — Fandinihana ny fijalian'ny Tompo — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 15, 1-39

Ry Kristianina Havana! Lavalava ny Tenin’Andriamanitra novakiana tamintsika teo, nefa kosa miantso antsika hifantoka amin’izao herinandro masina satarintsika anio izao. Araka ny tantaran’ny fijalian’i Jesoa Kristy teo dia sokajin’olona maro samihafa no voatantara ao, ary samy fototry ny fijaliany sy ny fahafatesany avokoa, ary ireo sokajin’olona ireo dia toa solontena maneho ny maha isika antsika sy ny finoantsika an’y Jesoa. Hifantoka amin’izany isika mandritra ity herinandro ity handinika ao am-po, tahaka an’i Maria, ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijalian’i Jesoa io, izay fototry ny famonjena antsika. Lesona telo no sintomintsika avy amin’ny ampahana Evanjely norenesintsika teo.

I Pilaty izay mba fatra-pitady ny tena marina amin’ny antony hanamelohana an’i Jesoa, nefa dia tsy sahy mijoro amin’ny tena marina. Mahatsapa izy fa tsy meloka i Jesoa fa fialonana no hiampangana azy, kanefa tsy nijoro amin’ny marina fa niaro tombontsoa sy voninahitra. Firifiry amintsika, amin’ireo sokajin’olona misy any amin’ny fiaraha-monina sy eto amin’ny firenena no manakona ny marina ary mahavita manafoana olona mihitsy aza, mividy ny marina noho ny fitiavan-tena, fitiavam-bola aman-karena ary fitadiavam-boninahitra. Tsy zakantsika mazàna ny tena marina ka izay rehetra mitady hampisongadina azy dia foanana. Ny marina anefa toy afo, hoy ny fitenitsika, ka tsy ho foana na oviana na oviana fa raha fonosina lamba aza mandoro.

Faharoa, ireo vahoaka voabontsin’ireo Farisiana sy lohandohan’ny mpisorona dia manitrikitrika ny hamantsihana an’i Jesoa. Fiampangana maro no atao azy sy foronina aza, noho ny fialonana sy tsy fitiavana. Eo amin’ny fiainana dia aoka isika handinika tsara vao miteny na mandray na manameloka olona iray, fa tsy matimatin’ny indro kely dia manaonao foana. Etsy an-danin’izany dia hiezaka hampanjaka ny fitiavana, fa io tsy fitiavana sy fialonana io dia matetika ahavanonana zava-doza foana.

Fahatelo dia ny fanesoana natao azy rehefa voafantsika. Manesoa avokoa izay mahita. Fahita any amin’ny fiainantsika any ny tsindrio fa lavo. Heverina fa izay voa na resy na mangina dia meloka avokoa. Antso matetika ataon’ny Papa amintsika ny tokony hifanampiana sy hifanohanana amin’ny marina mandrakariva fa tsy hiray tsikombakomba amin’ny ratsy ha hanameloka sy handetika ny tsy manan-tsiny.

Fotoan-dehibe sy tsara indrindra ho antsika izao herinandro masina diavintsika manomboka anio izao, ahafahantsika mandinika ny tenantsika sy ny finoantsika. Latsa-paka ao am-pontsika ve ny finoantsika Azy ary vonona hiaritra ny mafy miaraka Aminy ve isika na hihatra aman’aina aza?

Andriamanitra ô! Enga anie ny finoana anananay tsy ho finoana indray andro amin’ny andro lehibe toy ny Paka fotsiny ihany, fa mba ho finoana latsa-paka, mafy orina mandavan-taona, haharitra ary hatoky mandrakariva ny fitiavanao! Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...