Alakamisy 8 jolay 2021 — Herinandro fahefatra ambin'ny folo mandavantaona — Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 7-15

Ry kristianiana havana. Hafatrafatra sy ny toetry ny mpianatra iraka no ambaran’ny Evanjely.

Ny Fanjakan’Andriamanitra no votoatin’ny iraka ampanaovina : fanjakan’ny fahasoavana sy ny fiainana, fanjakan’ny fahamarinana sy ny fiadanana. Fa alohan’ny itoriana, tsy maintsy ny tena aloha no resy lahatra ; satria tsy honohonoina ny Evanjely, tsy toy ny mpiakarama an’ady ny iraka fa manohy, "manao ho ankehitriny" ny fampianarana sy ny asan’i Jesoa mihitsy.

Olona afaka no ilaina : tsotra, tsy be filirony, tsy voasembantsembana, tsy vesaran-javatra ; tsy hitady tombon-tsoa fa hatoky tanteraka ny fiahian’Andriamanitra ka hanome maimaim-poana.

Tsy terena ny finoana fa atolotra ; anjaran’izay mihaino no misafidy na hino izy na tsia. Tsy tokony ho kivy na lavin’ny olona sasany aza satria na Izy Jesoa aza ange mba nolavin’ny olona koa e. Hiredareda finoana sy hafanam-pon’Apostoly anie isika ka hampitia an’i Jesoa ny olona rehetra. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...