Alakamisy 4 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

Manome fanoharana anankiroa i Jesoa eto amin’ity Evanjely ity, mahakasika ny fijerin’Andriamanitra ny mpanota izay miverina amin’ny lala-mahitsy. Hita eto tokoa mantsy ny hafalian’Izy Andriamanitra rehefa mibebaka ny olona iray.

Isika rehetra dia mpanota avokoa ary ao anatin’izay fahalemena izay no tokony hangatahana ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny fanetren-tena ao amintsika mba hiverenana Aminy. Amin’ny maha mpanota antsika izay àry, dia tsy afaka mihitsy ny hitsara na hanameloka ny hafa isika. Tsy tokony hihevi-tena ho marina tahaka ireto Farisianina sy mpanora-dalana, izay sahy miteny ny hafa mihitsy hoe "mpanota". Ny mifanohitra amin’izany àry no tokony hatao, rehefa mahita ny hafa latsaka ao anaty fahotana. Izany hoe maneho fitiavana azy amin’ny alalan’ny vavaka sy manampy azy hizotra any amin’ny lalam-pibebahana. Rehefa mahatsapa tena fa mpanota isika dia tonga i Jesoa Kristy manasitrana ny fanahintsika ka mamerina antsika indray, izay ondry very, ao anaty vala sy dragma very hiaraka amin’ny namany. Ny tsy fahatsiarovan-tena fa mpanota mantsy dia midika ho avonavona, izay mampihevi-tena fa tsy mila ny famindram-pon’ Andriamanitra.

Tokony hihevi-tena fa mpanota isika rehefa manao ilay vavaka nampianaran’ny Tompo : "… Avelao ny fahotanay". Ny Sakramentan’ny Fampihavanana àry no mamerina antsika indray ao anaty vala iray miaraka amin’ilay Mpiandry Ondry tsara dia i Jesoa Kristy.

Lesona iray omen’i Jesoa antsika ny fitiavana ny mpanota. Izany hoe isika olombelona izay samy mpanota avokoa dia tokony hifanampy hiala amin’ny fahotana sy tokony hifankatia tahaka ny nitiavan’i Kristy antsika. Tadidio mandrakariva àry fa hafaliana ho an’Izy Andriamanitra ny fitodihantsika Aminy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...