I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.

Ho an'i Maria, ny herim-po dia avy amin'ny maha reny mendrika azy. Reny tsy mahay afa-tsy ny miahy ireo zanany vavy sy lahy. Tsy misy mahasakana azy amin'izany: na olana toa inona, na fifanandrinana toa inona dia tsy misy mampikemo azy. Tsy mila fihetsika na fangatahana manokana izy mba ho eo, fa na dia amin'ny fomba mangina sy tsy tsapa mivantana aza, dia mijoro amin-kery eo am-pototry ny hazofiajalian'ireo zanany hatrany izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahenina.

Vehivavy mitia tanteraka amin'ny fitiavana marina i Maria. Tamim-pirehetam-po sy an-kafaliana, hainy ny nanokana ny fiainany mantolo ho an'Ilay Tena Fitiavana. Rehefa mibanjina azy isika dia haintsika ny manavaka ny tena fitiavana, amin'ireo ankoso-pitiavana sandoka, ary mazava amintsika io lafiny tena manan-daja lehibe amin'ny fiainantsika io, mitaha amin'ny azy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahefatra.

Vehivavy tsy mba maro teny na be finari-bava i Maria, misy zavatra maika sy manan-danja kokoa aminy noho izay mety ho dindony na fijery azy ivelany. Ny tenany dia tsy mba faritany amin'ny firentiny ivelany fa miaina kosa ny tena maha izy azy marina. Fantany fa tsy maintsy mikolo ny tena izy tsy misy ankosotra sy ny fitiavany lalina ny Zanak'Andriamanitra sy ireo anadahy sy rahavavy rehetra, ankehitriny sy mbola ho avy izy. Tsapany tsara fa ny fitiavana dia mahay mampiely ny tenany sy miseho amin'ny tena izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahatelo.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...