Maria, tahaka ny nahateo anilantsika azy nandritra ny fiainantsika manontolo, dia ho eo anilantsika koa izy amin'ny ora hahafatesantsika. Ao amin'ny vavaka angatahantsika aminy, any amin'ny faran'ny Fiarahaban'ny Anjely, amin'ireny fotoana ireny isika dia mangataka aminy handray ny tanantsika sy hanampy antsika hitsangana ka hiazakazaka hanatona an'i Jesoa, Ilay Tompon'ny fiainantsika. Hasivianandro fanomanana ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahasivy.

Maria, izay nisitraka tanteraka ny fiainany ho toy ny fanomezana, dia vehivavin'ny vanim-potoana rehetra, isan'izany ny antsika izao. Tsy mety fo lefy laza izy, tsy mba lazoin'ny fahanterana velively, tsy mety ho lany manja. Afaka tsara mihitsy isika, mihevitra fa eo anilantsika izy mandritra ny sedra mahazo antsika, amin'ny fangirifiriana sy ny tebiteby mianjady amintsika, satria efa niharan'izany koa izy. Izy ankehitriny no mpanampy sy mpanohana azo antoka ho antsika. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahavalo.

I Maria dia vehivavy mifikitra tanteraka amin'Andriamanitra, nefa tsy miefitra velively amin'ny olombelona, na amin'ny fiainana na amin'ny tantaran'izy ireo. Tsy miloa-peo izy satria mihaino sy mandray mandrakariva ny tenin'Andriamanitra sy ny an'ny olombelona. Ny fanginany no mamela azy hihaino sy handanjalanja mba ho afaka hanavaka, ao anatin'ireo sahoa marobe, ireo teny tena manan-danja marina. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahafito.

Ho an'i Maria, ny herim-po dia avy amin'ny maha reny mendrika azy. Reny tsy mahay afa-tsy ny miahy ireo zanany vavy sy lahy. Tsy misy mahasakana azy amin'izany: na olana toa inona, na fifanandrinana toa inona dia tsy misy mampikemo azy. Tsy mila fihetsika na fangatahana manokana izy mba ho eo, fa na dia amin'ny fomba mangina sy tsy tsapa mivantana aza, dia mijoro amin-kery eo am-pototry ny hazofiajalian'ireo zanany hatrany izy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahenina.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...