Ry kristianina havana, rentsika matetika ary tsianjery ho an’ny ankizy mihitsy aza ny hoe "manomboka amin’ny alalan’ny alarobian’ny lavenona ny karemy", ary "maharitra 40 andro". Ny zavatra hita sy tsapa dia miezaka ny isam-piangonana sy ny fikambanana masina mikarakara sy manomana an’ity fotoan-dehibe ho an’ny fibebahana ity, mba hiainan’ny kritianina isan-tsokajiny sy amin’ny salan-taonany avy : na ny kely na ny lehibe an’izany Karemy izany.

Izany rehetra rehetra izany anefa, ry kristianina havana, dia fampatsiahivana sy fanasana ihany fa ny tena mampamokatra ny karemy dia ny fiainantsika azy isam-batan’ny olona. Matetika isika no manam-pianivana ny hiarina amin’ny fahalemena sy ny fahazaran-dratsy maro samihafa saingy tafalatsaka ihany ka kivy tahaka ny nahazo an’i Md Paoly raha nilaza izy tao amin’ny taratasy nosoratany ho an’ny kristianina tany Roma hoe :"satria tsy ny tsara izay tiako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy tiako" Rm 7, 19 … Matetika isika mba te hivoatra sy hahomby amin’izay atao ka tena mandany ny hery rehetra, nefa zara raha mahita vokatra ka manamelo-tena, matetika isika mivavaka, mitalaho, miangavy, mba hanana fiainana tsaratsara kokoa, nefa mihevitra fa toa tsy misy mihaino ny vavaka ataontsika, matetika koa aza indraindray mankahala ny hafa satria rehefa izy no manao dia mahomby fa rehefa izaho dia tsy ahitam-bokany… Ireo rehetra ireo matetika no karazana viriosy mamotika tsikelikely ny fiainam-panahintsika ka na ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra aza miha-mangatsiaka…
Ka inona ary no tokony atao ?
Mazava fa tsy fanao ny mikendry izay tsy tratra, satria aleo miezaka tsikelikely ka mivoatra, toy izay manao dingan-dava hampianjera sy hampivarina an-kady… "Izay tratry ny aina no atao", hoy ireo katita kely ao amin’ny lovotao izay (ho antsika izay ao amin’ny fikambanana scoutisme AIM)
Voalohany aloha dia nanome antsika 40 andro ny fiangonana hanaovana ezaka manokana sy fanamby vaovao. 40 andron’ny fibebahana hihavanana indray amin’Andriamanitra, 40 andron’ny fihavaozana hanasitranana ny fery rehetra vokatry ny fahotana, ary 40 andron’ny fahasoavana satria raha manaiky ny fahalementsika isika dia asandratr’Andriamanitra ka miverina amin’ny endrika maha-zanak’Andriamanitra antsika indray, toy ilay zaza mpandany : "very ka hita indray ary maty ka velona indray".
Araka ny efa fantantsika dia miavaka ny litorjian’ny Fiangonana androany satria eo ny fanosorana ny lavenona. Ny lavenona izay manambara ankarihary fa vonona ny hibebaka isika, ary ny fanatonantsika ny pretra hanosotra ny lavenona eo amin’ny andrintsika dia maneho sahady ilay fahavonona hiverina sy hanamafy ny fihavanana amin’ny Andriamanitra.
Koa mahereza ry kristianina havana, mazotoa mivavaka indrindra hoan’ny firenentsika izay nolalovana voina marosamihafa tato ho ato, mivavaha ho an’ny mpiray tanindrazana amintsika izay mijaly ary nisy ihany koa aza namoy ny ainy vokatr’izany loza izany… Fotoana izao karemy izao hamafazantsika fanantenana ho an’ireo malahelo, firaisan-kina ho an’ireo sahirana, ary fifanampiana ho an’ireo mahantra tsy manan-ko hanina.
"Aoka ho fakan-tahaka ho an'ny mpino hianao amin'ny teny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, ary amin'ny fahadiovana," ao amin'ny taratasy voalohan’i Md Paoly ho an’i Timote (Tm 4, 12b), izay ihany koa no entina irariana soa antsika mianakavy eto am-panombohana an’izao andro vaovao izao.

Aoka isika hivavaka,
Ry Andriamanitra Rainay ô, anongilano sofina ireto zanakao, mitalaho mila vonjy fa te hiarina. Betsaka ireo fahalemena, ary impiry izahay no lavo, nefa be famindram-po ianao ka mamelà ny heloka, be fitiavana ianao ka raiso ny fifonanay.
Koa ankininay aminao ny fiainanay manontolo sy ny ezaka rehetra izy ataonay, hampamokatra azy bebe kokoa ary ho tsapan’ny mpiara-belona aminay fa tena kristianina tokoa izahay.
Omeo fitiavana izay, hahafahanay mitia na dia ny fahavalonay aza ;
Omeo finoana izay, hahafahanay mifikitra aminao mandrakariva na amin’ny mora na amin’ny sarotra.
Ary velomy ao aminay mandrakariva ny fanantenana hahafahana maharitra amin’ny fitiavana anao sy ireo namanay, na amin’ny mora na amin’ny sarotra indrindra fa amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenenay ity izao.
Misaotra amin’ny fitiavanao Ray ô, ary matoky ny fitsimbinanao.
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy zanakao Tomponay no angatahanay izany.

Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...