Ry kritianina havana, zoma ny andro, ary zoma voalohany amin’izao karemy izao ihany koa hibanjinantsika ny fijalian’i Jesoa amin’ny lalan’ny hazofijaliana. Ny lalan’ny hazofijaliana izay hiarahantsika aminy mankany amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany ho velona.

Lalan-tsarotra kanefa mitondra antsika hiditra ao amin’ny misterin’ny fitiavan’Andriamanitra, nasehony tamin’ny alalan’ny Zanany. Lalana mampahatsiaro antsika an’ilay Sorona tokana nataon’i Kristy sy hahafahantsika manatri-maso ny vono sy ny fampijaliana natao Taminy. Lalana izay tsy tokony hijanona amin’ny endrika ivelany ihany fa mba ho latsapaka ao am-pon’ny tsirairay satria raha "miara-mijaly aminy isika, hiara-komem-boninahitra aminy koa", Rm 8, 17b.
Ireto ary misy teboka telo entintsika handinihana ny hevitra raketin’ny lalan’ny hazofijaliana androany : voalohany dia LALANA, faharoa FANDINIHANA sy FIBANJINANA, ary fahatelo farany dia VAVAKA.

Lalana satria raha te hiombona sy hanantona an’i Jesoa Kristy isika dia mila manantona azy na dia amin’ny dingana tsikelikely aza. Raha te hiditra sy hahatsapa ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra ihany koa isika dia mila mihady lalina, miroso lalindalina kokoa hatrany toy ny fanao isaky ny fijanonana ireny. Ny firosoana tsikelikely amin’ny lalan’ny hazofijaliana dia manasa antsika ihany koa hiroso sy hivoatra ara-panahy, ka manaiky hotarihin’i Kristy amin’ny lalan’ny fijaliana sy sedra mafy ary manaraka ny lalana izay soritany fa tsy izay tiantsika arahina na dia hita fa mifanohitra amin’ny fanaon’izao tontolo izao aza izany. Manaiky ihany koa fa i Jesoa Kristy irery ihany no mpitarika fa tsy hitady mpitarika hafa. Ary farany, manaiky ho mpianany ka vonona ny hanara-dia Azy sy hiaina ny fampianarany. Izay ny toetra voalohany.

Ny faharoa dia hoe fandinihana sy fibanjinana ny lalan’ny hazofijaliana. Ny dingana tsikelikely ataontsika dia manosika antsika hibanjina ny lalana izay efa nolalovan’i Kristy. Lalana nentin’i Jesoa anambaràna ampahibemaso ny fahatanterahan’ny famonjena antsika zanak’olombelona. Manosika antsika handinika sy hibanjina ny hahalehiben’ny fitiavana sy ny famindram-pon’Andriamanitra ny Evanjely mitantara ny fijalian’i Jesoa. Fa aza adinoina ihany koa, fa ny fibanjinana ny fijalian’i Kristy dia entintsika hanamafisana ny finoantsika an’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra, nanaiky hijaly sy ho faty mba hanaporofoiny fa nanaiky sy nanatanteraka ny sitrapon’ny Ray izy ho famonjena an’izao tontolo izao.

Ary ny fahatelo farany dia ny vavaka, ny vavaka izay manamafy ny fahatokisantsika an’Andriamanitra fa na fijaliana, na fahoriana, na fahafatesana, na sedra maro samihafa hitantsika amin’ity fiainana mandalo ity, dia efa natolotr’i Kristy an’i Rainy tamin’ny alalan’ny Sorona tokana nataony teo ambonin’ny hazofijaliana.
Lalan’ny hazofijaliana : lalana ary i Kristy no mpitarika, fandinihana sy fibanjinana ny fitiavany antsika, ary vavaka hitondrantsika ny fijaliantsika ihany koa miaraka aminy, ka atolony ny Ray izany ary dia ho mpandresy tahaka Azy isika.
Koa samy hiezaka ary isika ry kristianina havana, hiaina am-pinoana ny lalan’ny hazofijalina, ary ny ezaka rehetra takian’ny karemy amintsika, rehefa vonona ny hiombom-pijaliana amin'i Kristy isika dia moramora kokoa ny hanatanterahana azy.

Aoka isika hivavaka…
Ray masina ô, ataovy ho latsapaka ao am-ponay ny fampianaran’ny zanakao ary hamafiso ny finoanay hahay handray azy sy hiaina azy ka mba ho ny sitraponao no hotanterahanay fa tsy izay mampetipety ny fiainanay, ka ho zary fiaraha-monina anjakan'ny fitiavana sy firaisan-kina ny fiaraha-monina misy anay.
Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...