Ankalazaina isaky ny 12 desambra ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe. Nitarika ny Eokaristia Masina ho fanamarihana izany tao Vatican, omaly, i Papa François izay Papa latino-amerikanina voalohany.

Lasa toa ny fetim-pianakaviana ho an'ny ankohonampiainana latino-amerikanina ao Rome any Italie io fotoana niarahana tamin'i Papa François, nanamarika ny fetin'i Notre-Dame-de-Guadalupe omaly io. Navoitran'i Papa tamin'ny fampianarany nandrittra ny toriteniny ny maha-Reny an'i Masina Maria. Toriteny fohy sy tsy nomanina, nataony tamin'ny fiteny espagnole mba hahazoan'ireo latino-amerikanina ny fampianarana, tsy nilàna mpandikateny. Renintsika sy Renin'izao tontolo izao i Masina Maria, hoy izy. Ara-tantara, niseho tany Mexique tamin'ny taona 1531 i Masina Maria. Fisehoana izay nitarika sy nahatonga ny fanajan'ny kaontinanta amerikanina azy ka nametrahany azy ho mpiaro azy hatramin'izao.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...