Maro ny olona no tsy mino fa misy ny aretina SIDA eto Madagasikara, ary indrindra ny fitsaboana izany. Ny tsimok'aretina VIH no mitarika amin'ny tambatr'aretina SIDA. Misy ny aretina mpanararaotra miaraka amin'ny VIH dia ireo aretina manamarika ny fihidinan'ny hery fiarovana. Ny fisorohana voalohany indrindra dia ny fitiliana, manaraka izay ny fitandremana amin'ny lafiny firaisana ara-nofo, fanarahana fitsaboana amin'ireo efa marary mba tsy hamidra amin'ny hafa... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Velon-taraina ireo tantsaha, ny fikambanan'ny tantsaha samihafa, ny vovonam-pikambanana ary ny sendikan'ny mpamboly vary fa mamono antoka tanteraka azy ireo ny vidin'ny vary akotry. Manahy ny amin'ny ho avy izy ireo raha izao no mitohy. Tandindomin-doza ny ho avin'ny famokarana sy ny fahaleovan-tena ara-tsakafo ary ny fahamarinan-toerana ara-toekarena. Mamono antoka ny mpamokatra ny vidin'ny vary akotry amin'izao fotoana izao. Fanamambarana nataon'ireo Vondron'ny fikambanan'ny tantsaha mpamokatra ahitàna ny FTM CPM, ny FEKRITAMA, ny FIFATA, ny KOLOHARENA, ny SOA, ny FVTM, ny MDB ary ny Tranoben'ny Tantsaha mpamokatra Nasiônaly...
Ny fanovana dia dingana mankany amin’ny tsara kokoa, ary ny mpitarika dia olona afaka mandresy lahatra sy manome ohatra ampiariny "Modely". Mitaky toetra toy ny fahamarinana, fahasahiana, fahaiza-mihaino, fiaraha-miasa, fahatokisan-tena ary faharetana izany. Ny fahaiza-mitarika dia fomba fiaina sy firotsahana, ary ny tanora mpitarika fanovana dia fitaratra sy hery manosika ho an’ny fiaraha-monina. Mitaky toetra sy fomba fisainana sy fieritreritra: fahatsapna andraikitra, fahamarinana sy fahitsiana, fahauza-mihaino sy manaja ny hafa... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
Misy teboka miisa telo tokony hananana raha te hanana ho avy tsara isika dia : ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana. Mba ho azo antoka ny atao hoe fanavaozana dia misy dingana telo farafaharatsiny tsy maintsy atao ho zava-dehibe dia : ny fanadiovana, ny fanarenana ary ny fanavaozana. Manoloana ny famahana ny olana misy eto amin'ny firenena dia tokony hatao laharam-pahamehana ny famaliana ny filàn'ny Malagasy fa tsy izay tsindry avy any ivelany na tombontsoa manokana ; hantenaintsika mba ho olom-boatendry filamatra sy manana fahamarinana no hanana andraikitra eto amin'ny firenena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco