
Talen'ny Radio nanomboka ny 1996 hatramin'ny 1998,
avy eo ny taona 2006 hatramin'ny 2015.
Omeo lanja hatrany izay efa manandanja aminao hatramin'izay. Mila manontany tena isika. Raha te ho vahaolana dia ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra amin'ny toerany sahaza azy araka ny lanjany. Matetika isika dia very amin'ny hamehana ary manadino ny manandanja. Raha ny fahamaikana no hatao fiainana dia tsy ho tafita isika...
Alarobia 3 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28
♦ Mitohy ny fitetezam-paritra ataon'ny vadin'ny Filoham-pirenena hanamarihana ny andron'ny 8 marsa. Namboly anananambo 3.000 fototra tany Belalanda Toliara II, androany Ramatoa Mialy Rajoelina... ♦ Manainga ny fanjakana sy ny mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola, hametraka tahirim-bola manokana ho an'ny tantsaha mba hiatrehana ny valan'aretina Covid-19 sy ny fiovan'ny toetr'andro, ny Fivondronamben'ny Vehivavy Tantsaha Malagasy...
Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy. Mampianatra antsika hiaina ny fahanginana izy mba hahafahantsika mandinika ny hevitry ny fiainantsika amin'izao tontolo feno tabataba izao. Fandaharana momba an'i Md Josefa, iarahana amin'i P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Recteur du Petit Seminaire, Ambohipo, Antananarivo.
Arahanao amin'ny rakitsary eto ny firarian-tsoa avy amin'i Mgr Désiré Tsarahazana. "Raha tiantsika ny ho sambatra, dia tsy maintsy mampanjaka ny marina isika", hoy i Mgr Désiré Tsarahazana tamin’ny firarian-tsoa nataony ho an'ny Malagasy amin’izao Noely izao. Tia antsika rehetra tsy an-kanavaka Andriamanitra, noho izany dia tokony hifanaja sy hanampy ary hiaro ireo marefo indrindra.
Tohiny...Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.
Tohiny...Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.
Tohiny...© 2021 Radio Don Bosco