19 aprily 2024 — Zoma, Herinandro fahatelo Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin’ny mazava, isika izay navotany tamin’ny Rany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 53-60)
Ny fitiavana no "lalana tsara indrindra" (1 Korintiana 12 : 31) mitondra amin'ny fahalavorariana sy ny fahamasinana. "Ny fitiavana mahari-po sady be hatsaram-panahy (1 Korintiana 13: 4). Tsy lavo na ho potika amin'ny faharetana sy ny hatsaram-panahy ny olombelona. Arakaraka ny hitomboan'ny fitiavantsika no hianarantsika hanome sy hanokana ny tenantsika ho an'ny hafa. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
18 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro Fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 44-52)
Mitaky fandraisana andraikitra ny hoe tia ; Ny fitiavana mafy orina dia nandalo sedra maro. Tsy mety ny mitia amin'ny molotra fa mila mitia amin'ny fahamarinana. Anisan'ny olana fa tena niova sady lasa hafa tanteraka ny fiheveran'izao tontolo izao ny dikan'ny tena fitiavana, hany ka ny hoe raiki-pitia dia matetika mitovy amin'ny hoe tafalatsaka amin'ny filan'ny nofo. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco