5 aprily 2024 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)
Ilay fotoana hirosoan'ny tanora amin'ny fiainan-tokan-trano no tanjona amin'ny fanitsiana azy ireo dieny mbola kely fa tsy fanaovana tsinotsinona zaza akory. Ny fampianaran'ny Baiboly dia manantitrantitra be ny adidin'ny zanaka amin'ny ray aman-dreny fa tsy ny zon'ny zaza. Manajà ny rainao sy ny reninao, araka izay nandidiako anao, mba ho lava andro iainana ianao ary mba hahita soa any amin'ny tany nomeko anao. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
4 aprily 2024 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
Ny fanabeazana dia manana tanjona hanampy ny beazina hahay hiaina anaty fiaraha-monina, hahalala misimisy kokoa ny fomba sy ny lalam-piaraha-monina. Ny baiboly dia manome anjara toerana ambony io fanabeazana ny zaza io sady manoro fanabeazana hentitra. Misy tanjona ny fanabeazana, ny fanitsiana, ny kapoka, satria izay tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco