17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.

Toa an'Andriamanitra Raintsika, naniraka ny Zanany ho Mpiandry ondry dia Ray ny Eveka ; Raiamandreny eo anivon'ny Eglizy ary Raim-pianakaviana mitondra ny mpianakavy. Ny Mpiandry ondry tsara araka ny hamaritan'ny Tenin'Andriamanitra azy dia tonga hanompo fa tsy tompoina. Ny Kristianina dia manana adidy hiaino ny Eveka, ary tokony hanatanteraka izay ampianariny... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

16 jona — Teraka ny 31 janoary 1597 tao Fontcouverte, Aude i Jean-François Régis. Tsotra ireo ray aman-dreniny. Ary mbola kely izy dia efa niseho ho apôstôly raha izy nianatra tao amin’ny kolejin’ny jezoita tao Béziers. Teo amin’ny faha-19 taonany izy no niditra tao amin’ny noviciat tao Toulouse, ary modely ho an’ny mpianatra rehetra izy tao.

Ny fahefana mitantana iantsorohan'ny Eveka, izay marihina marihina fa izy vatan-tenany manokana ary tsy hikambanany amin'ny hafa dia avy amin'i Kristy. Azy manokana io fahefana io ary ara-dalàna sy faratampony. Ny Sakramenta Filaharana maha Eveka dia fahafenoan'ny maha mpisorona ao amin'ny laharan'ny Eglizy, ny Eveka dia manana ny zo masina sy adidy eo anatrehan'ny Tompo... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...