Ny Eglizy iraka dia ilay antsoin'ny Papa François hoe "Eglise en sortie". Ny isam-batan'olona, araka ny nandraisany fahasoavana dia tokony hitsinjara izany amin'izy samy izy, toy ny mpitantara tsy miangatra ny fahasoavana maro loha avy amin'Andrimanitra. Iraka takian'ny Batemy ny fifampizarana, indrindra tombontsoa, eo ambany fitantanan'ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.
Misy heviny roa ny maha-katôlika ny Eglizy : irahina ho an'ny vahoaka rehetra izy, dia ilay vahoaka eo anivon'izao tontolo izao ankehitriny, sy ilay vahoaka mbola ho avy eto amin'izao tontolo izao. . Afaka mihaona amin'ny kolon-tsaina maro izy nefa tsy mitaona azy hampitovy ny kolon-tsaina rehetra akory izany, io no maha-katôlika azy faharoa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco