20 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-21)
Vahaolana amin'ny fifanoherana ny fifampiresahana satria miova isaky ny olona sy arakaraky ny taona ny toetra amam-pihetsiky ny olona iray. Ny toetrandro miova fa tsy miova ny tsara ka mila alalinina isan'izany ny mahatsara an' Andriamanitra. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
19 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra faharoa Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 13-19)
Tsy manana fahafahana ny Zokiolona : asaina mipetraka ao an-trano mba tsy hanelingelina ny fiaraha-monina. Misy ny fiheverana fa manakorontana ny fampandrosoana ny Zokiolona, tsy maharaka ny fivoaram-piainana, tsy manana vinam-piainana. Ny Zokiolona dia olon-kendry, volafotsy marika ny fahendrena. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco