13 janoary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 13-17)
Tsy misy fanantenana ny fiainantsika rehefa tsy misy zokiolona. Ny vehivavy dia mahari-pery, mahavita manohana ny vadiny mandrankariva. Vitsy ny lehilahy manana herim-pom-bahivavy, môdely kokoa amin'ny faharetana ny zokiolona vehivavy. Afa-mifanohana ny zokiolona rehefa misy iray mijoro. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
12 janoary 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra voalohany Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 2, 1-12)
Ny antom-pisian'ny zokiolona : ilaina toy ny tanora izy, afaka mifanampy amin'ny rehetra, mahavita asasoa betsaka noho ny tanora ka zary ohatra ho an'ny olona rehetra. Ny zokiolona dia mahay mitsinjo ny ho avy. Ny zokiolona dia olon'ny fahalalahan-tanana ary mahafoy. Ny zokiolona dia mitaiza sy manabe ny fiaraha-monina misy azy. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco