22 aogositra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharoapolo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Ilay zaza mpandany dia lasa voafehin'ny filan'ny nofo, noana izy ary ny fijalian'ny nofony no nahatonga azy hiasa. Niova ny fifandraisana nisy teo amin'ilay zaza mpandany sy ny ray aman-dreniny, izay no nitondra azy tamin'ny kilasin'ny mpiasa ; ny tokony ho izy dia mpiara-miasa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ary tanjona ny fanasoavana ny hafa. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien. 

21 aogositra 2023 — Victoire Rasoamanarivo, Olontsambatra — Fahatsiarovana — Didy vaovao no omeko anareo, hoy ny Tompo mifankatiava toy ny nitiavako anareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Zava-dehibe ny ezaka ho fampanjakàna ny rariny eo amin'ny fiainan'ny olona tsirairay, manampy antsika ny lalàna sy ireny asa-soratra isan-karazana ireny. Ny mikasika ny asa dia tokony hatao am-pitiavana sy araka ny lalàna, ka ny toe-tsaina maha mpiasa marina no omena lanja. Ny fanampiana ny olona amin'ny fijoroana amin'ny finoana no ezaka tsy maintsy himasoan'ny mpitondra fivavahana mba hampanjakàna ny rariny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...