27 nôvambra — Niaina tamin'ny taonjato fahenina tao Paris i Masindahy Séverin. Mpanirery izy io, ary rehefa nahita ireo mpitoka-monina mpibanjina sy mihiboka izy dia naniry ny mba ho tao izany koa, ka nihiboka tao amn'ny trano kely nanamorona ny reniranon'i Seine, nivavaka sy nandini-tena.

Ny faneken'i Jesoa atao Batemy no mampianatra antsika hankatoa an'Andriamanitra Ray. Ny fanekena sy ny fanajàna ary ny fijoroana amin'ny Fahamarinana araka ny Soratra Masina ihany no fomba ankatoavana an'Andriamanitra tsara indrindra. Ny olona miaina ny Fahamarinana no ankasitrahan'Andriamanitra eo amin'ny fiainana. Katesizy momba ny batemin'i Jesoa, iarahana amin'i P. Rafaralahomboa Justolat.

Alahady 27 nôvambra 2022 — Alahady voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao! Ary omeo anay ny famonjena avy aminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 24, 37-44

26 nôvambra — Teraka tao amin'ny diôsezin'i Brabant, Diest ao Belgique tamin'ny 13 marsa 1599 i Jean Berchmans. Nandalina ny fahalalana momba ny classiques tao Malines izy nanomboka ny taona 1612, tao amin'ny sekolin'ny zezoita.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...