13 nôvambra — Teraka ny 28 ôktôbra 1550 tao amin'ny lapa Rostkowo tao Pologne i Stanislas Kostka. Farany amin'ny zanak'i Jan Kostka, sénateur sy i Marguerite Prisca anabavin'ny mpanjaka tao Mazovie i Stanislas.
Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy Masina irery no hany Tompo Tokana mila tiavina sy tsaohana ary ivavahana satria Izy no Mpahary sy Mpanavotra ary Mpanamasina antsika olombelona. Efa nodiovin'ny Ran'i Kristy izao rehetra izao ary efa nametrahany ny Fanahiny ny Eglizy mba hizoran'ny fiainan'ny zanak'olombelona ho amin'ny fahasambarana tanteraka. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Alahady 13 nôvambra 2022 — Alahady Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Miambena ary mivavaha mandrakariva mba ho mendrika hitsangana hiseho eo anatrehan’ny Zanak’olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 5-19
12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco