Zoma 11 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.

Noho ny tsy fitokisana an'Andriamanitra no mahatonga ny olona hampifangaro ny finoana sy ny finoan-drazana, mitarika ny saina ihany koa hoe mitahy ny razana. Ireny rehetra ireny no antsoina hoe "Synchrétisme" na hoe mampifangaro ny finoana roa mifandaka. Ny kristiana vita batemy dia misy milaza ihany koa fa mivavaka amin'ny razam-bazaha. Katesizy momba ny fitsaohana an'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.

Alakamisy 10 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...