Antsoina hoe "Renin'Andriamanitra" i Masina Maria satria niteraka ny zanak'Andriamanitra ho olombelona, ho ety ambonin'ny tany. Isan'ny vahoakan'Andriamanitra mila famonjena ihany koa i Masina Maria reniny. "Theotokos" dia hanondroana an'i Masina Maria, atao hoe "Renin'Andriamanitra", zava-boahary niteraka ny zanak'Andriamanitra, Andriaminitra sady olombelona i Jesoa... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Jesoa Kristy dia olona iray, tonga teny tonga nofo, manana fomba roa satria sady tena Andriamanitra no tena olombelona ihany koa. Ny anjara asan'i Masina Maria manoloana ny tantaram-pamonjena dia mazava araka ny foto-pampianaran'ny Eglizy araka ireo lova-panahy voatahiry, miainga amin'ny Testamenta Taloha... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Masina Maria dia olombelona tahaka antsika ihany na niaraka niaina tamin'i Jesoa aza, niaina izay iainan'ny olombelona rehetra. Masina Maria dia miandry famonjena toa antsika olombelona, ary zavaboahary toa antsika. Masina Maria dia nandray anjara tamin'ny fahatanterahan'ny tantaram-pamonjena. Masina Maria no nofidin'Andriamanitra ho reny hiteraka ny Zanany... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.

Zava-dehibe ny maha iray an'izay rehetra miaina amin'izao tontolo izao ity. Ny olombelona dia iray ihany ary tokony ho tombontsoa iombonana daholo no hery manetsika ny tsirairay mba ho fampandrosoana ny isam-batan'olona. Ny tena fitiavan-tanindrazana dia fiombonana, mila manao ezaka ny rehetra mba tsy hosaratsarahan'ny finoana samy hafa, ary ny fivavahana dia tsy tokony hatao fitaovana hampisarahana ny olombelona...  Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...