Ny paka dia fiampitana avy amin'ny toerana iray ho amin'ny toerana iray hafa vaovao. Tamin'ny andron'Israely dia alina no fotoana nihinana ny zanak'ondrin'ny Paka, mba hanehoana fa Andriamanitra no manazava, Izy no manala ny vahoaka ao anatin'ny haizina mikitroka. Ny haizina voalaza eto dia ireo izay nihatra tamin'ny zanak'Israely : fanandevozana, famoretana, fanitsakitsahana ny zo maha-olona... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny misongady amin'ny fanirahana an'i Môizy : famaritan'Andriamanitra ny tenany mivantana sy ny momba azy amin'ny zanak'Israely ; araka izay nambaran'Andriamanitra tamin'i Môizy hoe : "Ilazao ny vahoaka fa Izaho ilay MISY", izany hoe, ilay eo an'ivon'ny vahoaka mandrakariva. Ny fanafahana ny vahoaka teo anatrehan'i Faraoana dia noho ireo toro-marika avy amin'Andriamanitra... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Noho ny fahitan'i Faraona fa nitombo be ny vahoaka Israeliana dia natahotra izy sao lasan'ireo zanak'i Israely i Egypte manontolo. Nandevozona ny vahoakan'i Israely, nampanaovina biriky, midika ho "ozona" ny asa tamin'izany. Niaritra 640 taona ny vahoakan'i Israely tao Egypte. Hitan'Andriamanitra ny fahoriana niainan'ireo vahoakany ka nifidy an'i Môizy Andriamanitra hanafaka an'i Israeliana... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Eo amin'ny fotoana nanomezan'Andriamanitra taranaka an'i Abrahama no nanomboka ny tantaram-pamonjena. Nino Abrahama, tsy nisalasala tamin'izay nolazan'Andriamanitra taminy, nampanantenain'Andriamanitra taranaka maro. Ankoatra an'i Isaaka dia nampanantenain'Andriamanitra fa ho tonga firenena lehibe ny fianakaviana Abrahama. Ny hoe "israely" manana tandrify hoe " combattant de Dieu"... Katesizy momba an'ny fanambaran'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco