Zoma 19 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra Lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 34-40

18 aogositra — Tokony ho tamin’ny taona 255 i Hélène no teraka tany amin’ny faritan’i Bithynie. Constance Chlore no vadiny, jeneraly romanina izy io izay nampakatra azy ho vadiny ny taona 272, ary tamin’ny taona 275 no nanan’izy ireo an’i Constantin zanany lahy.

Ny antso izay voaresaka ao amin'ny Levitika ihany no averin'i Jesoa amintsika, saingy ovainy fomba filaza fotsiny ao amin'ny Matio 5,48: "aoka ho lavorary ianareo tahaka ny fahalavorarian'ny Rainareo izay any an-danitra. Noho izany dia antso mitovy ihany no hiantsoana antsika dia ny ho masina sy ho lavorary. Katesizy momba ny antso, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

Alakamisy 18 aogositra 2022 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 1-14

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...