13 aogositra — Samy martiry tamin’ny taonjato fahatelo na i Pontien na i Hippolyte. Tamin’ny fanenjehana kristianina tamin’ny andron’ny amperora Maximin dia nalefa nanao asa anterivozona tany Sardaigne ny papa Pontien ary tena nampijaliana mihitsy mandram-pahafatiny.

Ny vavaka rehetra ataontsika dia miafara amin'ny teny hoe AMEN, teny hebrio io  ; nentin'ny Jody nanamafy sy namarana ny fianianana (teny apetraka) nataony, midika hoe "ankatoaviko izany", " ho to anie izany". Ny katesizin'ny Fiangonana Katôlika dia mampianatra fa iray ny fototeny ny hoe "mino" sy ny "amen". Katesizy momba ny finoana, iarahana amin'i P.Rakotomanantsoa Jean Louis.

Sabotsy 13 aogositra 2022 — Herinandro fahasivy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 13-15

12 aogositra — Teraka ny 23 janoary 1572 tao Dijon i Jeanne Françoise. Filohan’ny parlemanta tao Bourgogne ny rainy. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no maty ny reniny, ka i Bénigne Frémyot, rainy no nanabe azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...